Fivontosana eo amin’ny taovan’olombelona : 60 taona eo ny lehilahy, betsaka voan’ny homamiadan’ny prostaty

Aretina iray tsy dia be mpahafantatra ny homamiadan’ny prostaty. Aretina voalohany mpahazo ny ankamaroan’ny lehilahy izy io, izay miseho amin’ny fivontosana eo amin’io taova io.

Anisan’ny homamiadana voalohany indrindra mpahazo ny ankamaroan’ny lehilahy eto Madaga­si­kara ny prostaty, raha ny fa­na­dihadiana nataon’ny Asso­cia­tion d’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Mada­gas­car (Arom), tamin’ny taona 2020. Anisan’ny homamiadana fahatelo mpahazo ny va­hoaka ma­lagasy ihany koa izy io satria voan’izany avokoa ny 10% ny lehilahy eto amin’ny Nosy, raha ny tatitra nataon’ity fikambanana ity hatrany. Ma­nombo­ka voan’ny homamiadan’ny prostaty ny lehilahy iray eo amin’ny faha-70 taonany ho an’ny firenena any ivelany sy maneran-tany. “Ho an’i Mada­gasikara manokana, manodidina ny 60 taona eo ny lehilahy, betsaka voan’io aretina io amin’izao fotoana izao”, hoy Dr Tatafasa Serge, mpitsabo mandray an-tanana ny homamiadana eto Antana­narivo. Antony maro ny mahatonga ny aretina, raha ny fa­nazavan’ny mpitsabo. Antony voalohany, ny halehibiazan’ny taona. Fa­haroa ny fananana fianakaviana efa voan’ny aretina na ny tarazo. Antony fahatelo, ny fisian’ny aretina, infection, teo amin’ny prostaty, izay nahazo ilay lehilahy tany amin’ny fahatanorany ka nitohitohy izany. Ankoatra izay, mety hahatonga ny aretina ihany koa ny tontolo iainana ary ny fahangezan’ny vatana, araka ny fandinihana nataon’ny manam-pahaizana tany ivelany.
Ny prostaty dia “glande”, raha lazaina amin’ny fiteny siantifika. “Karazana taova iray hita ao amin’ny taovam-pananahan’ny lehilahy izay misy asany eo amin’ny resaka fananahana sy amin’ny fipipizana izy io”, hoy izy. “Rehefa miha mitombo taona ny lehilahy iray dia mitombo hangeza ihany koa izy io”, hoy hatrany ny mpi­tsabo. Mety hiteraka ny “hy­pertrophie benigne” na fi­von­tosana tsotra mankany amin’ny homamiadan’ny prostaty izany. Mety hanana ny fivontosan’ny prostaty avokoa ny lehilahy rehetra fa misy ireo tsy voan’ny homamiadana fa mankany amin’ny aretina hafa.

Mahatratra 20 tapitrisa mahery ny fitsaboana

Misy ihany ny fitsaboana azo atao. Raha toa ka efa lasa lavitra ny aretina ao amin’ny vatana, efa somary manano sarotra kosa ny fitsaboana izany sy miha betsaka ny vola lany.
Misy karazany maro ny endriky ny fitsaboana ny ho­mamiadan’ny prostaty. Mety handaniana vola an-tapitrisany maro. Mety handany hatramin’ny 20 tapitrisa Ariary mahery izany satria mety handalo fandidiana, mety handalo “radiothérapie” na chimiotherapie ilay olona, arakaraky ny halalin’ny aretina sy ny fitsaboana hafa. “Efa ampy hitsaboana sy hahasitrana ny aretina raha toa ka hita mialoha kosa ny fandidiana sy radiotherapie”, hoy hatrany ny mpi­tsabo.

Miseho amin’ny endriny maro ny fikorontanana

Miseho ny fikorontanana noho ny aretina, manomboka eo amin’ny faha-40 taonan’ny olona marary, indrindra ho an’ireo olona efa nisy fianakaviana voa tany aloha. Miseho amin’ny fambara maro ny aretina rehefa tonga ny fahalebiazan’ny taona. Ani­san’izany, ny fikorontanan’ny fotoana fivalanan-drano, lasa mifoha matetika mandeha manao izany ny lehilahy iray amin’ny alina, rehefa mitombo ny prostaty. Lasa miha sahirana ihany koa izy rehefa mivalan-drano. Ma­te­tika, lasa misy ra mihitsy aza ny fivalanan-drano, na mitohana tsy afaka mamoaka izany intsony koa. Amin’ny ankapobeny, efa any amin’ny trangana fahasarotana ny homamiadan’ny prostaty vao hita. Anisan’izany, ny vatana ma­lemy tampoka tsy amin’ny antony.

“November blue », hiresahana ny homamiadan’ny prostaty

Natokana hiresahana ny homamiadan’ny prostaty, izay ankalazaina amin’ny hoe: «November blue», ny volana no­vambra. Maro ny hetsika atao mahakasika izany eto Ma­dagasikara, isaky ny volana novambra. Maro, araka izany, ny atrikasa natao teto Antananarivo sy manerana ny faritra maro teto amin’ny Nosy tamin’iny novambra lasa teo iny. Tanjona ny hahafahan’ny lehilahy rehetra mandini-tena mahakasika ny toe-pahasalamany. Mba hahafahany manapa-kevitra mitily ny aretina mialoha ihany koa, handraisana an-tanana azy. Nambaran’ny mpitsabo fa mora kokoa ny mandray an-tanana sy manasitrana ny aretina raha hita mialoha izany.
Tsapa fa tsy mahasarika loatra manao fitsirihana ny fahasalamana ny olona raha tsy efa marary. Raha ao anatin’ny fianakaviana efa nisy voa, tsara kokoa ny mitily ny aretina alohan’ny faha-50 taona.

Latsaky ny 25 g ny lanjan’ny prostaty ara-dalàna

Raha jerena, azo refesina amin’ny alalan’ny fanaovana fitarafana (échographie) ny prostaty. Latsaky ny 25 g ny lanjany ara-dalàna, raha ny fanazavan’ny mpitsabo manomboka miseho kosa ny fivontosana rehefa mihoatra io lanja voalaza io.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: