48% amin’ny ankizy eny amin’ny ambaratonga fototra (EPP) ihany no manohy eny amin’ny CEG, hoy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, omaly. Hanampy ny tanora ho tia fianarana ny tetikasa « Ankizy hihary », izay hapetraka eny amin’ny sekoly Ambaratonga fototra faharoa, CEG.
Dimy taona no nisian’ny fandaharanasa nasionaly “Fihariana”, novolavolain’ny filohan’ny Repoblika. Efa manodidina ny 26 000 isa ireo nisitraka ny tetikasa ary 41 taona no salan-taonan’ireo mpisitraka, raha 30 taona ny salan-taona maneran-tany.
Miparitaka any anaty tambajotra sosialy ny karazana vokatra fanositra amin’ny tarehy ho an’ireo vehivavy. Mampalandina, manala mony, manala panda… Mila mitandrina fatratra anefa amin’ireny karazana vokatra ireny. Satria, mila mandalo sedra sy andrana maro vao fantatra na mety na tsy mety amin’ny hoditry ny tsirairay.
Miakatra ny karazana voankazo ary anisan’izany ny manga sy ny letisia. Miteraka fako betsaka miohatra amin’ny andavanandro ny fiakaran’izy ireny. Mila fehezin’ny tsirairay ny fakony mba tsy hiparitaka na hanentsina ny lakandrano. Misy koa ireo mpanodina zezika biolojika manangona ireny fakona voankazo ireny na mividy izany mihitsy.