49% ny vehivavy manambady eo anelanelan’ ny 15 taona hatramin’ny 49 taona ihany no fantatra fa mampiasa ny fomba fandrindram-piterahana. Mbola maro, araka izany, ireo tsy resy lahatra na tsy mahafantatra tsara ny tombony azo amin’ny fampiasana azy ireny. Efa mihamaro kosa ny tanora mazoto miaro tena tonga manatona tobim-pahasalamana.
Tanterahina mandritra ity herinandro ity, ao amin’ny CHU Andrainjato Fianarantsoa, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fizahana, fandraisana an-tànana ary fanaraha-maso ireo zaza manana olana ara-pahasalamana amin’ny fo. Misy ny fandraisana an-tànana maimaimpoana ho an’ireo zaza voakasika.
Nirosoana ny fandravana ireo trano miorina tsy ara-dalàna ao anatin’ny tanin’ny Oniversiten’Antananarivo hahafahana manorina fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio eny an-toerana. Efa nampahafantarina mialoha ireo voakasiky ny fandravana. Natao ny volana oktobra tamin’ny taon-dasa sy ny volana febroary teo ny fampahafantarana ofisialy momba izany.




