Nankalazaina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpirotsaka an-tsitrapo. Natao tetsy amin’ny Havoria Anosy ny hetsika fanamarihana izany ho an’Antananarivo. Hetsika teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.
«Kolontsaina sy toe-tsaina ny firotsahana an-tsitrapo ary tokony hovolena ao anatin’ny isam-batan’olona », hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volomiranty Donna, nandritra ny lahateniny. Mamolavola olom-pirenena vanona ny firotsahana an-tsitrapo. «Miavaka ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara satria tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireo», hoy hatrany ny minisitra raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Mahavelombolo ny fiarahan’ny mpiara-miombon’antoka sy ny fanjakana amin’ny fanatanterahana izany filatsahana an-tsitrapo izany. « Anisan’ny mampandroso ny fananan’ny vahoaka toe-tsaina sy kolontsaina hilatsaka an-tsitrapo ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy. Mijoro ireo mpilatsaka an-tsitrapo ary tena mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana eo amin’ny firenena misy azy. Amin’izao fankalazana izao, manentana ny olon-drehetra ny minisitra mba hanao asa filatsahana an-tsitrapo na dia iray minitra aza. Mitondra hery lehibe izany hanampiana ny fitondram-panjakana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. “Efa raiki-tapisaka amin’ny kolontsaina malagasy ny filatsahana an-tsitrapo, sady mifanojo amin’ny asan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana izany kolontsaina izany”, hoy kosa ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fanomezan-dalana sy ny fankatoavana ny fifanarahana mpilatsaka an-tsitrapo, Randriamiandry Joel, teny an-toerana.
Misehatra amin’ny lafin-javatra maro izy ireo
Miantsehatra amin’ny asa maro hanampiana ny vahoaka malagasy izy ireo, amin’ny ankapobeny. Toy ny fandraisana an-tanana sy fanampiana torohevitra ireo vehivavy iharan’ny herisetra eny anivon’ny tokantrano. Eo koa ny misehatra amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana, ny fahasalamana, ny fanabeazana eny anivon’ny sekoly, ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny maro hafa. Misy ny mpirotsaka an-tsitrapo eto an-toerana sy avy any ivelany. Mandrindra ny asan’ny mpilatsaka an-tsitrapo manerana ny Nosy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny filatsahana an-tsitrapo sy ny hetsika iombonana.
Mahazo tombony amin’ny asany ireo mpirotsaka an-tsitrapo
“Mitondra vokatsoa ho an’ny firenena sy ho an’ny tenany ary ho an’ny mpiara-belona rehetra ny asan’izy ireo satria manandratra ny hambom-pom-pirenena, ahafahana mampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny minisitra. Ho an’ireo mpirotsaka an-tsitrapo manokana, “ahazoana tombontsoa maro ny asa atao na dia tsy andraisana karama sy tambiny aza”, hoy izy ireo. “Mahazo traikefa sy tombony manokana ho an’ny tena ny firotsahana an-tsitrapo noho ny fanampiana ny mpiara-belona”, hoy Andriamasimanana Tahina, filohan’ny fikambanana Remede de Madagascar. Ankoatra izay, mampivelatra ny fahalalana sy ahafahana mifandray amin’ny sehatra maro samihafa ihany koa ny asa atao. Ho an’ny fikambanana Remede de Madagascar, misehatra eo anivon’ny fahasalamana izy ireo. Ivondronan’ny mpitsabo sy mpianatra mpitsabo ity fikambanana ity. Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra mpitsabo sy hanaovana asa soa ho an’ny manodidina. Mahatratra 150 eo ireo mpikambanana hatramin’izao fotoana.
Mpirotsaka an-tsitrapo 70 eto Antananarivo
Maro ny Malagasy mpirotsaka an-tsitrapo eto an-toerana, manodidina ny 50% manao izany manerana ny Nosy ny eto Antananarivo. “Misy fikambanana 70 misehatra eo amin’ny firotsahana an-tsitrapo eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao, izay voasoratra ao anatin’ny fitaleavan’ny Fampiroboroboana ny firotsahana an-tsitrapo sy ny fanentanana eny ifotony eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina”, hoy Randrianandrasana Fulgence, tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina misahana ny firotsahana an-tsitrapo. Manomboka eo amin’ny faha-16 taonany eo ny tanora iray no afaka mirotsaka an-tsitrapo, araka ny lalàna mifehy azy, raha ny fanazavana voaray. Misy ny lalàna mifehy sy didim-panjakana fampiharana ny firotsahana an-tsitrapo eto Madagasikara. Mamaritra izany ny lalàna lah-2015-015, tamin’ny 10 aogositra 2015, sy ny didim-panjakana fampiharana lah-2022-418, tamin’ny 23 mey 2022.
Nomarihina tamin’ny hetsika maro
“Hiara-mientana isika hanamafy orina ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny firotsahana an-tsitrapo”, io ny lohahevitra nanentanana nandritra ny fankalazana tamin’ity taona ity. Nomarihina tamin’ny hetsika maro ny fankalazana. Nisy ny fampirantiana nataon’ireo fikambanana maro misehatra amin’ny firotsahana an-tsitrapo. Niisa 26 teo izy ireo no tonga nandray anjara tamin’izany, izay nanomboka ny 4 desambara ary nifarana omaly. Ho an’ny omaly, nisy ny filatroana nataon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra.
Nanatontosa : Mino