FAMOKARANA KARBONINA : MITERAKA OLAM-PIARAHAMONINA AO IHOROMBE NY FANOMEZANA TANY HO AN’NY TOZZI GREEN

Trangam-piarahamonina iray efa niseho aman-taonany maro ao amin’ny faritra Ihorombe ny olan’ny fananantany ateraky ny tetikasa Tozzi Green. Betsaka ny fampanantenana natao ho an’ny mponina saingy tsy ampy ny fanatanterahana. Tsy tanteraka ny bokin’andraikitra, miteraka olana ny voly hazo lazaina fa mamokatra karbonina, gadraina ny mpisintona lakolosy sy ny mpiaro ny taniny. Mitsipaka izany kosa anefa ny tomponandraikitry ny orinasa. “Manao zavatra miabo izahay. Zava-dehibe ny famerenana ny fandrakofana ala, toy izay tsy manao na inona na inona”, hoy Davide Giachero. Fanadihadiana.

Tompony mangataka atiny

Mitaraina vokatry ny fakana ny tanin’izy ireo ny mponina ao amin’ny faritr’Ihorombe! Zary mahita faisana amin’izany ny seha-pihariana mahazatra ny mponina, ny fiompiana omby. “Nihena ny faritra ahafahan’ny biby miraoka ahitra. Lasan’ny orinasa avokoa ny ankamaro­an’ny toerana nahazatra. Ma­halasa saina ihany”, hoy Ra­geba sy Razily, mponina any any an-toerana. Mahita faisana koa ny fambolena. Nihena ny faritra azon’ny mponina hamokarana. “Misy fotoana aza izahay sady voasazy mandoa la­mandy no hampanenjehina alika mba hiala amin’ny faritra hiraofan’ny biby raha vao nanomboka namboly katsaka ny Tozzi Green”, hoy izy ireo velon-taraina. Manahy ny hoaviny ny mponina. “Raha mitohy ny fanitarana ny orinasa dia ho tompony mangataka atiny izahay. Tsy ho afaka ny hivezivezy sy hipetraka ety intsony”, hoy izy roa lahy namarana ny fifampizarana.

Fibodoana tany

Nanomboka ny taona 2012 no nivoaka ofisialy ny fifanarahana teo amin’i Mada­gasikara sy ny orinasa Tozzi Green, ary nohavaozina ny taona 2018. Voarakitra ao anatin’izany ny fanofana tany mirefy 11 000 ha ao anatin’ny kaominina vitsivitsy, any amin’ny faritra Ihorom­be. Miten­tina 6 300 euros isan-taona ny hofany, mandritra ny 30 taona. Nanohitra sy niady ny zony ny mponina, niaraka tamin’ny fikambanana isan-tsokajiny. Nisy ny fisamborana sy ny fitsarana teto an-toerana sy tany ivelany.
Ny 13 oktobra 2023, tonga hatrany Italie ny raharaha. Nametraka fitoriana any amin’ny sampan’ny OCDE any an-toerana ny ONG ActionAid miaraka amin’ny fikambanana BIMTT sy ny Collectif Tany. Manenjika ny orinasa Tozzi Green sy ny Jatropha Tech­nology Farm Madagascar izay rantsamangaikany eto Mada­gasikara izy ireo. Vontoatin’ny fitarainana ny mahakasika izay tena tompon’ny tany. Andaniny, ny governemanta malagasy sy ny Tozzi Green milaza fa an’ny fanjakana ny tany. Ankilany, ny fikambanana isan-karazany sy ny mponina manamafy fa an’ireto farany ny tany.
Manamafy ny mpitory fa sambany no misy raharaha fitoriana tahaka izao mahakasika ny fibodoana tany napetraka any Italie. Ny raharaha Tozzi Green rahateo dia maha voakasika ny governemantan’i Belgi­que sy Finlande, amin’ny ala­lan’ny bankin’izy ireo, izay ma­matsy vola ny orinasa. “Ny zava-misy matetika dia mialokaloka amin’ny fanarahan-dalana ny mpibodo tany, izay orinasa vahiny matanjaka. Misitraka ny fanampian’ny fahefam-panjakana izy ireo”, hoy ny mpisolovava ny mpitory, Saltalamac­chia Luca.
Marihina fa anisan’ny fototry ny olana mahakasika ny fananantany ny fahanteran’ny lalàna mifehy izany, izay nolovaina tamin’ny frantsay ny taona 1942. Manome vahana ny mpibodo tany izany satria manjavozavo. Miteraka disadisam-piarahamonina izany, tahaka ny zava-misy ao Ihorombe. “Izay indrindra no nampiditra anay an-tsehatra amin’ny resaka Tozzi Green. Hitanay fa tany no mafimafy ny fanoherana ny mpibodo tany. Ny mponina mihitsy no nampahafantatra anay mivantana. Ny tena olana ho an’ny ao an-toerana dia ny tsy fanajana ny zo fototry ny olona any ifotony, fampiasana fomba sadasada hanerena ny mponina mba hanaiky”, hoy i Mamy Ratrimoarivony Rakoton­drai­nibe, mpiara-manorina ny Collectif Tany. Tsiahivina fa ity fikambanana ity dia niorina ny taona 2008, nanohitra ny fanomezana tany 1,3 tapitrisa ha ny South Korean logistics multinational Daewoo mandritra ny 99 taona. Tranga izay nampiongana ny fitondran’ny filoha Rava­lomanana Marc, ny taona 2009.

Mihodina ny “afera”

Tsy mitsahatra ny asa ataon’ny orinasa Tozzi Green any an-toerana, na misy aza ny fanoherana sy ny tsy fankasitrahan’ny mponina. Mi­sehatra amin’ny fihariana samihafa ny orinasa dia ny voly katsaka, geranium ary ny famokarana angovo maitso. Ao amin’ny kaominina Satro­kala, distrikan’Ihosy no misy ny foiben’izy ireo. “Zava-dehibe ho anay ny fisian’ny orinasa. Zava-doza ny fialany eto aminay raha sanatria misy izany. Mitondra fampandrosoana sy fampiroboroboana ho an’ny kaominina ny fisiany. Misy ny manohitra anefa noho ny toe-tsaina sy ny fikatonana amin’ny fampandrosoana avy any ivelany”, hoy i Joël Jean de Dieu, ben’ny Tanànan’i Satrokala sady niandraikitra ny fikirakiram-bola tao amin’ny orinasa hatramin’ny taona 2016.
Marihina fa ny taona 2000, efa namboly Jatropha Curcas tany an-toerana ny orinasa. Voly izay niroborobo sy nanodoka ny fivoarany satria afaka niaina tanaty tontolo iainana ny any an-toerana. Noheve­rina ho akora fototra hoentina mamokatra angovo azo ha­vaozina sy maharitra izy satria tena namokatra.
Tsy naharitra anefa izany, diso ny kajy teo amin’ny tombana noheverina hotratrarina ka nialan’ny orinasa tsikelikely ny fambolena azy. Ny taona 2014, nivadika ho mpamboly katsaka sy legioma ary geranium ny orinasa. Namadika izany ho lohamenaka saingy roa taona dia natsahatra, tsy nahazoana tombony. Nivadika ho mpamboly hazo sy mpivarotra karbonina indray ny orinasa amin’izao fotoana izao.

Hazo 4 000 000 voavoly

Eo am-piandrasana ny taratasy fanamarihana avy amin’ny fikambanana Verra izay miandraikitra ny fanamarinana sy ny fankatoavana mifandraika amin’ny tombana momba ny famokarana entona manimba ny tontolo iainana ny tetikasan’ny Tozzi Green, ankehitriny. Tahirin-kevitra ilaina mba hahafahana mamokatra sy mivarotra karbonina.
“Mino izahay fa afaka iray na telo taona fara fahelany dia hahazo izany”, hoy ny tomponandraikitry ny orinasa. Ma­nombana ny hamokatra 2,7 tapitrisa amin’ny tsenan’ny karbonina ny orinasa ao anatin’ny 30 taona, izay mitentina 16 hatramin’ny 70 tapitrisa euros, arakaraka ny fiakarana sy fidinan’ny tsena. Milaza efa nahavoly hazo Acacia, kininina, zakaranda miisa 4 000 tapitrisa amin’ny velarantany 3 700 ha izy ireo. Hanenjika ny 5 000 ha kosa hatramin’ny 2029. Manamafy rahateo ny tale mpitantana, i Davide Giachero, fa zava-dehibe ny famerenana mamboly hazo toy izay tsy manao na inona na inona.
“Miezaka ny manao zavatra miabo ho an’izao tontolo izao, ny tontolo iainana ary ny fiarahamonina izahay”, hoy izy.

Fanontaniana ilam-baliny

Manoloana ny tetikasa vaovaon’ny Tozzi Green, mipetraka ny fanontaniana mahakasika ny faharetan’ny hazo volena sy ny ho fiantraikan’izany amin’ny fanangonany ireo entona karbonika afaka 50, 100 na 300 taona. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy dia ahitam-bokany ambony ny vokatry ny fakan’ny zavamaniry ny entona raha amin’ny fotoana lavitr’ezaka.
Ankoatra izay, ahoana tokoa ny faneken’ny mponina any an-toerana ny tetikasa? Anisan’ny fepetra iray takin’ny Verra ny fankatoavana avy any ifotony. Marina fa efa misy ny tetikasam-pampandrosoana sy ny sosialy ataony any Satro­kala, amin’izao fotoana izao. Misy ny toeram-pitsaboana, nanomboka ny taona 2012. Tsy voarakitra anatin’ny fifanarahana sy ny bokin’andraikitra anefa izany mba ho tamberin’andraikitra amin’ny mponina. Folo taona aty aorian’ny nahatongavan’ny orinasa tany an-toerana aza mbola tsy voavaha ny olan’ny fananantany. Mainka aza mihamafy ny fitakiana. Tsy mahasakana izany ny faneken’ny ben’ny Tanàna sasany. Mbola mitsipaka marindrano ny ao Ambatolahy izay maharay fitarainana tsy tapaka.

Fialana bala sy vola

Tsy misitraka izay fampanantenana natao ny mponina any amin’ireo kaominina na­naovana fanadihadiana, toa an’Ambatolahy. Tsy misy ny jiro nanomezana toky. Miaina anaty fahasahiranana ny mponina, toa an-dRatolojanahary Jean Daré sy Raherina vadiny izay mipetraka amin’ny trano fanitso. Mpikatroka mafana fo miaro ny zon’ny mpiray kaominina aminy izy, izay nianatra tany amin’ny Oniversite ka afaka mifanatrika amin’ny solontenan’ny orinasa Tozzi Green. Ity farany izay tsy miteny afa-tsy teny frantsay ka mahatonga ny mponina sy ny lonaky tsy mahazo izay ambara. Nanomboka ny taona 2020, nanangana ny fikambanana “Komity miaro ny tany” izy sy ny mponina.
Anisan’ny manohitra ny tetikasa sy izay fandaharanasany ity mpikatroka ity. Nam­barany tamin’ny fanadihadiana horonantsary nataon’ny fikambanana iraisam-pirenena Green Finance Ob­servatory azy fa fialana bala amin’ny famotehana ny zavaboahary hatakalo vola ity resaka tsenana karbona ity. “Tsy mamerina izay nopotehina taminay izany. Tsy manohitra ny hazo na voly hazo izahay fa manohitra ny manontolo lehibe iray, izay mampitondra faisana anay sy manome vahana ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro aty aminay. Migoaka ny tombon’izany anefa ny orinasa vahiny”, hoy izy namarana ny fifampizarana.
Marihina fa izy rahateo no mampita vaovao sy manazava ho an’ny mponina ny vaovao tsara ho fantatra kanefa tena manan-danja sy tena ilaina.

Tsy manaiky tery vay manta

Mitondra ny heviny ny lehiben’ny fitaleavam-paritry ny fiompiana sy fambolena ao Ihorombe, Tovositrakasoa­ma­hafaly Jean Parfait, manoloana ny toe-javamisy. Manahy ny fivoaran’ny toe-draharaha izy. Tsy noho ny resaka tsenan’ny karbonina fa noho ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana ny tetikasa. “Mahazatra ny mponina ny mifampiresaka sy mifampaka hevitra rehefa misy ny tetikasa tiana hatao. Tsy mahazatra ary tsy tian’ny mponina ny fanaovana tery vay manta azy ireo hanaiky ny fanapahan-kevitra avy any ambony, izay misary ho endrika fanjanahana”, hoy izy.
Marihina fa efa nisy ny fakan-kevitra sy ny famoriana ny mponina miaraka amin’ny orinasa saingy tsy nahavaha olana izany. “Nisy tokoa izany kanefa efa tara no sady kisarintsariny fotsiny ihany. Tsy azo atao ny mihevitra hanao dika mitovy tetikasa hafa momba ny fambolena indostrialy. Mila jerena avokoa ny hodidina rehetra aty ifotony. mba hifanaraka amin’ny ko­lon­tsaina sy ny fomba amam-panaon’ny faritra, indrindra aty amin’ny faritra Bara, izay mifototra amin’ny fiompiana om­by”, hoy ity tomponandraiki-panjakana ity.

Fampanantenana poakaty
Misy tamin’ny mponina ao Satrokala no nanantena vokatsoa avy amin’ny orinasa Tozzi Green ka nanaiky ny fidiran’izy ireo. Latsa-panenenana anefa ankehitriny, noho ny fampanantenana poakaty natao ny mponina. Ani­san’izany i Meky Edouard, lonaky ao an-toerana. Ani­san’ny nametrahan’ny mponina fitokisana ka nanao sonia ny fifanarahana nanomezana ny tany ho an’ity orinasa italiana ity. “ Rehefa tonga teto aminay ny orinasa ny taona 2013 dia nanome 250 ha izahay, nomena tamin’ny fo satria nihevitra fa hanamboarana sekoly sy fotodrafitrasa maro ato aminay, mba hahita asa ny zanakay”, hoy izy nifampizara ny alahelo sy ny hadisoam-panantenany, teo anatrehan’ireo olona am-polony niara-nitafatafa tamin’ny mpanao gazety. Marihina fa dia manana taratasy fifanarahana izy saingy amin’ny teny frantsay ka tsy fantany akory aza izay voarakitra ao.
Toraka izany ny manjo ny mponina ao amin’ny tanànan’ Ivaro Andrefana, tanàna izay nanaiky avy hatrany ny fidiran’ny orinasa Tozzi Green. Nihe­vitra ny mponina fa hahazo tombony amin’ny fidiran’ny vazaha any an-toerana. Na­namafy izay ny lonaky Fiharia, izay nilaza fa nanantena sekoly avo lenta amin’ny teny frantsay ho an’ny taranaka izy.
“Tafo fanitso sy pilopitra enina no mba natolony ho an’ny sekoky aty aminay izay mandray ankizy 50 mahery, sahanin’ny mpampianatra iray. Ny olana anefa, tsy mbola nandray karama amam-bolana ity farany satria miasa amin’ny tany lavitrandriana ka tsy raharahin’ny fanjakana”, hoy izy.

Ramatahora

“Hatreto, mihenjan-droa ny tady amin’ny mponina sy ny orinasa Tozzi Green. Miankina amin’ny fankatoavan’ny mponina anefa ny fahazoan-dalana hivarotra karbonina ho an’ity orinasa ity, hoy ny eo anivon’ny Collectif Tany. “Manahy izahay amin’ny fanamafisana ny tsindry sy ny fanerena ny mponina any ifotony hanaiky azy ireo, miaraka amin’ny fampiasana zandary”, hoy ny fanambaran’izy ireo ny volana mey 2024, niarahana tamin’ny fikambanana sy firaisamonim-pirenena am-polony nanao sonia.
Anisan’ny mpisintona lakolosy sady mpikatroka mafana fo manohitra ny tetikasa, i Ma­herilio. Nangataka ny tsy ho tononina anarana. Mpanela­nelana sy mpampahalala vaovao, ary mpanao tatitra tamin’ny vahoaka izy. Notambazana vola mba hivadika amin’ny besinimaro kanefa tsy nanaiky. Nanomboka teo ny fandrahonana am-bava sy ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro filaminana azy. Ny taona 2020, nosamborina tany Ihosy ny tenany. Natao ambalam-pa­monjana nandritra ny 10 andro dia navotsotra. Ny volana feb­roary 2023, nalefa taty an-dRenivohitra ny raharaham-pitsarana azy. Voaheloka higadra roa taona sy handoa lamandy 100 000 Ariary izy. Nampia­katra fitsarana ambony ka mihantona ny fampiharana ny didy. Nanomboka teo dia mitandrina i Maherilio fa manohy ny fanontsanana ireo trangana kolikoly. Nambarany fa misy ny namana nivadika noho ny tahotra, misy koa ny voavidim-bola. Marihina fa anisan’ny nanampy azy ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona Frontline De­fender.

Endrikendrika, fanalam-baraka

Andaniny, manoloana ny fitoriana sy ny fanambarana nataon’ny firaisamonim-pirenena sy ny fikambanana samihafa, namaly ny avy eo anivon’ny orinasa Tozzi Green fa endrikendrika sy fanalam-baraka azy ireo no atao aminy.
Ankilany, mandeha miadana ny tohin’ilay fitoriana natao azy any Italie. Efa 12 volana izay no lasa, mbola tsy misy fivoarany.
Manoloana izany rehetra izany, mitsiry tsikelikely ny hazo nambolen’ny orinasa Tozzi Green, izay fototry ny disadisam-piarahamonina any Iho­rombe.

 

Fanadihadiana lalina niarahana tamin’ny Tahirim-bola ho an’ny mpanao gazety “Journalismfund Europe”

Nanatontosa : Riana Raymonde Randrianarisoa,
Daniela Sala, Sara Manisera

Sary : r.r
Mpiara-miasa: Lova Andrianaivomanana

Partager sur: