Fotoana mahabetsaka ny karazan’aretina maro ny vanim-potoana fahavaratra tahaka izao. Anatin’izany ny aretina tefoidra, anisan’ny mahatonga izany ny fiparitahan’ny loto sy ny fahavoretrana.
Vanim-potoana mampirongatra aretina maro ny fahavaratra tahaka izao. Anisan’ny aretina mora mahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izany, ny tefoidra na ny « la fièvre typhoïde ». Antony mahatonga izany ny fiparitahan’ny loto entin’ny rano sy ny fako eny rehetra eny. Aretina mety hahafaty olona izay voany izy io. Mahatonga azy ny fisian’ny otrikaretina antsoina hoe : “Salmonella typhi”. Aretina azo avy amin’ny loto izy io ary mahafaty raha tsy voatsabo ara-potoana, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. «Azo avy amin’ny sakafo na rano tsy madio, ahitana ny tsimokaretina izany. Miditra amin’ny lalandra ary mihamaro izy rehefa tafiditra ao amin’ny vatana. Mankany amin’ny tsinay izany, miteraka fivalanana, aretina an-doha ary hafanana be loatra eo amin’ny olona iray », hoy ny mpitsabo, Dr Rakotonindrina Norbert.
Miseho amin’ny tranga maro
Azo tsaboina, 100%, tsara ny aretina tefoidra raha toa ka voavonjy ara-potoana. Mety ho voan’ny tazo mitarazoka ilay olona voan’ny aretina, na ho reraka diso tafahoatra ihany koa. Ankoatra izay, mety haloiloy, mandoha sy mivalana, marary kibo, marary an-doha. Eo koa ny fiakaran’ny hafanana be. Atahorana ho tafakatra 40 hatramin’ny 50 °C ny hafanan’ny olona rehefa manao sarotra ny aretina. Fanampin’izay, mety hivalana impolo isan’andro, tsy mahita tory ary tsy mahahinan-kanina ihany koa ilay olona. “Manao sarotra ary mitarika any amin’ny fahafatesana kosa izany raha tara ny fitsaboana”, hoy hatrany ny mpitsabo. Etsy ankilany, mitarika ny tsinay halemy izany ary mety ho vaky any anatin’ny vatan’olombelona raha tsy voatsabo. Ahina ho tonga any amin’ny tsy fahatsiarovan-tena mandritra ny andro maromaro ihany koa izany satria lasa miakatra any amin’ny atidoha ny aretina.
Fihinana voankazo manta
Maro ny voankazo hita eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Hita eny an-tsena avokoa na manta na masaka. Maro ny mihevitra fa ny fihinana voankazo manta irery ihany ny mahatonga ny olona ho voan’ny tefoidra, raha ny fanadihadiana natao. Nambaran’ny mpitsabo hatrany fa mahatonga aretina avokoa na vaonkazo manta na masaka misy io tsimokaretina io. Ankoatra izay, mety mamindra ny aretina ihany koa ny fipetahan’ny lalitra na moka avy amin’ny diky na tatatra, mankeny amin’ny sakafo.
Ilaina ny fitandremana amin’ny sakafo
Anisan’ny fisorohana amin’ny aretina ny fanaovana tsindrona sy vaksiny eo amin’ny tsirairay. Ilaina hatrany anefa ny fitandremana amin’ny fahadiovana, indrindra eo amin’ny sakafo hiditra any am-bava. Raha sanatria marary na voan’ny aretina ny olona iray, tsara ny fanatonana mpitsabo avy hatrany mba hahafahana mitsabo azy haingana. Tanjona ny tsy hampihombo ny aretina sy ny tsy hihanahany amin’ny vatana. Fanampin’izay, azo atao tsara ny mitsabo ny aretina amin’ny alalan’ny antibiotika.
9 tapitrisa isan-taona no voa
9 tapitrisa isan-taona ireo olona tratran’ny aretina fièvre typhoïde maneran-tany. Mahatratra 110 000 kosa ireo maty vokatr’izany, araka ny fanadihadiana nataon’ny fandaharanasa misahana ny fanaraha-maso ny aretina tefoidra aty Afrique (TSAP), tamin’ny taona 2019. Manodidina ny 171 amin’ny mponina 100 000 no voan’ny aretina tefoidra tao amin’ny tanànan’Imerintsiatosika. Lasibatra amin’izany ny ankizy latsaky ny 15 taona. Manodidina ny 20 983 ireo trangana tefoidra eto Madagasikara (manodidina ny 79 amin’ny 100 000 ireo voa, raha ny antontanisa nivoaka. Mahatratra 264 ireo maty vokatr’izany.
Ho an’ny marary, ilaina ny fihinana fanafody hatramin’ny farany
Tsara ny hanarahin’ny olona voan’ny aretina ireto zavatra ireto. Fihinanana fanafody hatramin’ny farany, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Eo koa ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony rehefa avy any amin’ny toeram-pivoahana. Fadiana kosa ny mikarakara sakafon’olon-kafa. Mba hanenana ny tahan’ny fifindran’ny aretina.
Nanatontosa : Mino