Dingam-piainana tsy maintsy lalovan’ny Malagasy maro ny fanaovana “ala volon-jaza”. Ahitana mpanao azy ny faritra maro, indrindra ny eto Imerina. Fomba amam-panao ataon’ ny ray aman-dreny amin’ny zanany, rehefa tonga eo amin’ny fahatelon’ny volana nahaterahany.
Na dia eo aza ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fanatontoloana misy eto amin’ny firenena, mbola manao izany avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviana malagasy, indrindra ny monina eto Imerina, raha ny fanadihadiana natao. “Mitondra soa ho an’ilay zaza vao teraka ny fanaovana ilay fomba ny antony hanaovana izany”, hoy ireo ray aman-dreny nanontaniana. Zava-dehibe ny fanaovana ny ala volon-jaza ho antsika Malagasy. Satria, fomba iray entina manala ny vintan-dratsy amin’ny zaza sy hanomezana azy vintana tsara hoentiny miaina amin’ny fiainany no antony hanaovana ny ala volon-jaza. Fomba iray ilazana sy ahafahan’ny zaza vao teraka hiditra ao am-pasan-drazan’ny fianakaviana. Tanjona nanaovana azy io ihany koa ny mba hanirian’ilay volo soa aman-tsara amin’ny fotoanany tsara sy ara-dalàna, raha ny fanadihadiana natao.
Amin’ny ankapobeny, mandritra ny vanim-potoan’ny lohataona misandratrandro, ny fanaovana azy io, raha ara-tantara. Misy vintana ratsy sy tsara entin’ny zaza iray amin’ny volon-dohany, raha ny finoan’ny Ntaolo. Antsoina hoe “ala Sonia” ihany koa ny ala volon-jaza satria fanalana ny volo maniry eo ambonin’ny sofina io fomba io. Esorina, araka izany, ny vintana ratsy amin’ny loha, izay mipetraka ambonin’ny sofina havia, raha araka io finoana io hatrany. Volo mitahiry zava-dratsy izy io ka tsy maintsy esorina, raha ny fanazavana voaray. Eo amin’ny havia ny atao ho sonia ratsy ary eo an-kavanana kosa ny sonia tsara. Esorina mialoha ny sonia ratsy ary hariana any atsimon-tanàna miaraka amin’ny fitaovana nakana azy, araka ny fomba amam-panao. Hararaka amin’ny sakafo hifandrombahana kosa ny sonia tsara aorian’ny fanalana ny ratsy.
Misy dingana arahina ny fanalana volon-jaza
“Tsy nesorina tamin’ny vao teraka ny volon’ilay zaza fa misy dingana tsy maintsy arahina ny faharetan’ilay zaza amin’ny androm-pahavelomany ka eritreretina eo amin’ny mandray telo volana eo ny zaza no tokony halana ny sonia ratsy», hoy Rakotonirina Emmanuel, mpitazona ny fomban-drazana. «Natao mba hifanaraka amin’ny zavaboahary mba hanaraka tsara ny dingana tokony ho dinganina amin’ny misandratrandro no hanetezana ilay volo”, hoy hatrany izy. Miditra amin’ny famorana kosa ny zazalahy kely aorian’ny fahavitana ny ala volon-jaza.
Tsy maintsy manana kalitaom-bolo mitovy amin’ny zaza
Tsy maintsy manana volo tsara mitovy amin’ny karazam-bolon’ny zaza io rainjaza manatanteraka ny asa io. Tanjona ny tsy hampiova ny kalitaon’ny volon’ilay zaza rehefa ao aoriana. Antony iray mahatonga ny ray aman-dreny sasany, tsy hanaiky ny hanalana ny volon-jaza ny mety hiovan’ny kalitaon’ny volo, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Ankoatra izay, tsy tokony ho mpitondratena na maty vady ihany koa io mpanety volo io. «Misy ny tolotra sy fanomezana aorian’ny fahavitana ny ala volon-jaza mba hitsofan-drano ilay zaza», hoy hatrany izy.
Ny zavamaniry ampiasaina
Maro ny fitaovana ampiasaina amin’ny fanaovana ala volon-jaza. Anisan’izany ny fary raikibololona sy ny akondro velon-dreny ary ny famoha, izay zavamaniry mitovy endrika amin’ny vero. Mitondra hamamiana sy soa ary fanambinana amin’ny fiainan’ny olombelona ny fary ka antony nisafidianan’ny Ntaolo azy io. Faharoa ny akondro velon-dreny ary fahatelo ny famoha izay zavamaniry mitovy amin’ny vovon-dandihazo. Manidina entin’ny rivotra ary miparitaka rehefa maina sady mivelatra ary manaraka ny vatany izy amin’ny ankapobeny. Heverin’ny Ntaolo fa mitondra soa ny famoha ka antony nisafidianana azy io ihany koa. Apetraka eo anjoro firariazana ireo zavamaniry telo samihafa ireo rehefa azo.
Sakafo hohanina
Misy ihany koa ny sakafo fihinana mandritra izany, toy ny saonjo masaka voatetika madinika ampiarahina amin’ny vary masaka. Toho maina sy trafon-kena ary tantely kosa ny hilaofana azy. Midika ny hanirian’ny volo nohetezana ny fihinana ny trondro maina. “Firariana ny zaza hisondrotra ambony ny fihinana ny trafon-kenan’omby», hoy ity mpandala ny fomban-drazana ity. Atao anaty sahafa, antsoina hoe : “famelona”, ny karazan-tsakafo rehetra. Mijoro manodidina io sahafa famelona feno sakafo io avokoa ny tovovavy sy tanora rehetra ao amin’ny fianakaviana izay maniry hiteraka sy te hanan-janaka.
Nanatontosa : Mino