Ao anatin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasikara amin’izao. Miakatra ny tahan’ny hafanana, indrindra amin’ny andro atoandro. Mahatonga aretina maro samihafa ho an’ny vatan’ny olona tsirairay avy izany.
Miakatra ny maripana ho an’ny eto Madagasikara raha ny fanazavana voaray avy amin’ny foibe famantarana ny mety ho toetry ny andro. Manodidina ny 12 hatramin’ny 30°C eo ny ankamaroan’ny maripana ho an’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana izao ka hatramin’ny faran’ny herinandro ho avy izao, raha ny famazavana voaray.
Manodidina ny 17 hatramin’ny 39°C ny maripana eto Madagasikara ho an’ny anio, raha ny vinavina navoakan’ny foibe famantarana ny mety ho toetry ny andro. 17 hatramin’ny 33°C ny maripana ho an’ny eto afovoantany. 12 – 32 °C ny any Antsirabe, 28 – 36 °C ny any Morondava, 24 – 36 °C ny any Mahajanga, 21 – 35 °C ny any Taolagnaro. Manodidina ny 24 – 35 °C ny any Toliara Antsiranana, 25 – 38 °C ny any Maevatanana, 22 – 37 °C kosa ny any Ranohira. 20 hatramin’ny 35 °C ny any amorontsiraka Atsinanana. 24 hatramin’ny 37 °C ny any amorontsiraka Andrefana. Ho tafakatra hatramin’ny 37 – 38°C kosa izany any antsimon’ny Nosy sy any Maevatanana, raha ny fanazavana.
Mahatratra 37 °C ny maripana ambony indrindra ho an’ny ilany andrefan’ny Nosy sy ny atitany Atsimon’ny Nosy ary ny any Betsiboka, ho an’ny toetr’andro rahampitso zoma. Tsy hahitana fiovana izany ho an’ny toetry ny andro ny sabotsy izao. Mety ho tafakatra hatramin’ny 35° ny maripana ambony indrindra ho an’ny eto Analamanga manokana amin’ny faran’ny herinandro. Hahatratra hatramin’ny 38°C kosa ny maripana ambony indrindra any amin’ny faritra avaratra andrefana sy any Atsimon’ny Nosy, raha ny fanazavana.
Atahorana ny olona marefo sy ny zaza
Misy voka-dratsy eo amin’ny fahasalaman’ny mponina ny fiakaran’ny hafanana, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Lasibatra amin’izany, ny olona marefo, ny zaza, ny zokiolona ary ny vehivavy bevohoka. Anisan’ny aretina mety hahazo ireo olona ireo ny hasemporana vokatry ny hafanana, ny fahatoranana, ny fanina, ny aretin’andoha, ny gripa, ny kohaka, ny tazo, ny tevidoha, ny tsy fahampian-drano sy ny maro hafa. Nandritra ny iray volana izay, aretina tena mahazo ny ankamaroan’ny olona tonga manatona mpitsabo ny gripa sy kohaka ary ny tazo. Antony mahatonga izany ny tsy fahazakana ny fiakaran’ny hafanana loatra ka mahatonga aretina amin’ ny vatan’ilay olona, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Eo ihany koa ny filatsahan’ny orana. Nohamafisin’ny mpitsabo fa tsy mbola nisy fanamarihana voaray sy nivoaka fa misy ny aretina covid-19.
Ilaina ny fampitomboana ny hery fiarovana
“Ilaina ny fanamafisana sy fampitomboana ny hery fiarovana eo amin’ny olona tsirairay avy. Mba hahafahana miady amin’ny aretina maro samihafa mety hahazo ny vatana », hoy ny mpitsabo. Tafiditra ao anatin’izany, ny fihinanana voankazo sy legioma betsaka isan’andro. Tsara raha ny karazana legioma be « fibres » no ezahina hohanina matetika. Ankoatra izay, entanina koa ny olona tsy hanao rera-be loatra , indrindra hanao ampy torimaso.
Mila ampy rano ny vatana
Eo koa ny tokony hisotroana rano matetika, mba hisorohana ny tsy fahampian-drano eo amin’ny olona iray, raha ny fanazavana. Manodidina ny 1,5 na 2 litatra isan’andro eo ny rano tokony ho sotroin’ny olon-dehibe iray, amin’ny ankapobeny. Ankoatra izay, tsara ary tena mahasalama ny vatana ny fandroana amin’ny rano mafana rehefa mafana tahaka izao ny andro. Mba hisorohana ny mety hijanonan’ny fo tampoka noho ny tsy fitovian’ny hafanan’ny rano sy ny vatana. Ilaina sy manampy ny vatana ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena, manodidina ny 30 minitra eo ho eo isan’andro. Manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery ny vatana sy ny hery fiarovana ny fanaovana izany. Tsy hadino ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony isan’andro, ny fanapenana vava rehefa mikohoka na mihevina sy ny maro hafa.
Manana maripana manodidina ny 37°C eo ny vatan’olombelona tsirairay, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Miasa mandrindra ny maripanan’ny hoditra sy ny ra ny sela antsoina hoe: Hypothalamus. Rehefa tsy mirindra ny maripana ao amin’ny vatan’ny olona iray dia mety hampihena ny hery fiarovan’ilay olona izany, hoy ny mpitsabo.
Nanatontosa : Mino