Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’entana, indrindra ny vidim-bary eny an-tsena hatramin’izao. Mahazo tombony betsaka amin’izany ny mpanangom-bokatra raha toa ka maty antoka ny tantsaha sy ny mpanjifa.
Manodidina ny 950 hatramin’ny 1 200 Ariary eo ny kapoakam-bary eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy eny an-tsenakely. Voakasik’izany avokoa ny vary makalioka sy ny vary gasy manalalondo ary ireo karazam-bary hafa. 900 hatramin’ ny 950 Ariary ny kapoakan’ny vary tsipala. 3 200 hatramin’ny 3 300 Ariary izany ny kilao. 1 050 hatramin’ny 1 200 Ariary ny kapoakan’ny vary gasy, makalioka, madrigal ary ny riz de luxe. Manodidina ny 162 000 Ariary ny vary iray gony amin’ny vary dista, eny amin’ny tsena mpamongady toy ny etsy Anosibe. Efa mahatratra hatramin’ny 180000 Ariary kosa ny vidin’ny vary gasy manalalondo sy ny makalioka. Anisan’ny mora indrindra eny an-tsena ny vidin’ny stock, vary nafarana avy any ivelany. 142 000 Ariary ny iray gony amin’izany.
Maro ny antony mahatonga izany, raha ny fanadihadiana natao. « Antony voalohany mahatonga izany ny fisian’ny mpanelanelana na ny mpanangom-bokatra », hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo, Rajerison Antoine, raha nanaovana fanadihadiana. “Tsy tombontsoan’ny tantsaha ary tsy tombontsoan’ny mpihinana ihany koa fa tombontsoa manokan’ireo mpanangom-bokatra ny vidim-bary miaka-midina”, hoy hatrany izy nanazava.
Amin’izao fotoana, tsy havoakan’ny mpanangom-bokatra ny vary ka tsy maharaka intsony ny filan’ny mponina, lasa miteraka fiakaran’ny vidiny izany. Miakatra hoazy ny vidin’entana rehefa kely ny vokatra eny an-tsena fa midina kosa izany rehefa mitobaka ny vokatra, araka ny lalàn’ ny tsena. « Kely ny vokatra tonga eny an-tsena amin’izao fotoana izao satria any am-pelatanan’ny mpanagom-bokatra avokoa ny vary rehetra », hoy hatrany ny nambarany. Tanjona amin’ny fanaovana izany ny hahazoan’izy ireo vidim-bary tsaratsara kokoa hatrany mba hahazahoany tombony betsaka ho azy. Anjaran’ny fanjakana ny mijery ireo mpanangom-bokatra manidy vary amin’izao fotoana izao ireo, raha ny fanazavany.
Tokony hividy ny voka-bary amin’ny vidiny lafo
ny fanjakana
Tsy mahaleo tena sady tsy mandroso ny seha-pihariana vary eto amin’ny firenena malagasy satria tsy marin-toerana ny vidiny eto an-toerana. Vokany, lasa mora loatra ny vidin’ny vary rehefa fotoan’ny fararano ary lafo izy rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Vahaolana hialana amin’izany ny fitadiavana ny fomba rehetra haha marin-toerana ny vidim-bary eto amin’ny Nosy. “Rehefa marin-toerana ny vidim-bary, sady tombontsoan’ny tantsaha no tombontsoan’ny mpihinana”, hoy ity depiote ity. Nambarany fa tokony ho ezahina ny hampitoviana ny vidim-bary manomboka amin’ny fararano hatramin’ny fotoan’ny fahavaratra.
Nolazainy fa vahaolana amin’izany ny tokony hampiasan’ny fanjakana vola amin’ny fividianana vary amin’ny vidiny ambony eto an-toerana. Toy ny fividianana vary any ivelan’i Madagasikara, hampiasaina eto an-toerana. Mihazakazaka hoazy ny tantsaha hivarotra ny vary any amin’ny fanjakana fa tsy ho any amin’ireo mpanangom-bokatra intsony.
Tsy mahavelona sady tsy hahazoana tombony ny voly vary
“Tsy mahavelona sady tsy hahazoana tombony ny fambolena vary fa fitazomana aina fotsiny ihany”, hoy hatrany izy. Nambarany hatrany fa tsy manam-bola ampiasaina ny tantsaha ka lasa mivarotra ny vokany amin’ny vidiny mora amin’ny fiakaran’ny vokatra eny an-tsaha. Vokany, tsy mitombo ny velaran-tany hambolena hatramin’izao, toy izay ihany koa ny isan’ny olona mampiasa vola amin’ny famokarana vary hatramin’ izao.
Mamono ny tantsaha ny vary hybride
« Mandavaka ny fasana hilevenantsika isika amin’ny alalan’ny vary hybride », hoy ny depiote Rajerison Antoine. Nambarany fa tsy mety ary tsy tokony hatao eto Madagasikara io vary io satria hybrida sinoa fa tsy hybrida malagasy. Alaina any Chine ny « souche parentale » an’io vary io fa tsy eto Madagasikara. Vokany, tsy maintsy mamoaka vola isika hakana izany any ivelan’ny Nosy satria tsy mety hakana taranaka izy io fa tsy maintsy mividy masomboly isan-taona, raha ny nambarany hatrany. “Tsy zakan’ny teti-bolan’ny tantsaha ny fividianana masomboly isan-taona sy ny fividianana zezika betsaka hampiasaina amin’ny fambolena”, hoy izy nanamafy.
Hampihena ny masomboly vokatra eto an-toerana
Manana karazana masomboly betsaka sy tsara kalitao ny Malagasy amin’ny seha-pihariana vary izay vokarin’ny Fofifa, raha ny zava-misy. Nohamafisin’ity depiote ity fa tokony ho ezahina ny hanaparitaka izany manerana ny faritra, eto amin’ny Nosy, raha tiana ny hahaleo tena ara-tsakafo. Hihena ny masomboly vokatra eto an-toerana rehefa betsaka ny tantsaha mampiasa azy io. Marihina fa nolanian’ny depiote teto Madagasikara teny amin’ny Antenimierampirenena ny handaniana vola amina Ariary mahery alefa any Chine hividianana ny masomboly vary hybrida.
Nanatontosa : Mino