Olan’ny Barea de Madagascar : Tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana ny mpilaravinahitra

Notanterahana, omaly, tetsy Mahamasina ny loabary an-dasy nandinihana ny hoavin’ny Barea de Madagascar. Nivoitra tamin’izany fa fositra ny tsy fanajan’ny mpilalao mpilaravinahitra ny fitsipi-pitondrantena.

Manoloana ny tsy fa­hom­biazan’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea de Madagascar dia nanomana fihaonana narahina adihevitra ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na ny FMF. Nanasana sokajin’ olona maro, mpisehatra amin’ ny tontolon’ny baolina kitra izany, omaly teny Mahama­sina. Nambaran’ny eo anivon’ny Komity mpanatanteraka rangory fototry ny afo ny fihetsik’ireo mpilalao mila ravinahitra sasany na ny Expatrié izany. Tsy manaja ny fitsipi-pifehezana izy ireo.
Zava-nisy izany, nandritra ny ady tapakila ho an’ny “Can 2025” natao farany teo. “Iray andro mialoha ny lalao ofisialy, misy amin’ireo mpilalao no mamo sy mbola mivoaka alina”, hoy ny mpandahateny. Nilaza ny nandray andraikitra ny federasiona saingy tsy nisy vokany mivaingana izany. Tsy to-teny tamin’ireo mpilalao mihoa-pefy rahateo ny mpanazatra teo aloha. Manginy fotsiny ny disadisa eo amin’ny mpilalao eto an-toerana sy ny mpilaravinahitra. Tonga hatreny ambony kianja izany.
Mpanazatra hentitra

Mbola ao anatin’ny fifaninanana tsara ny Barea de Madagascar, amin’ny ady tapakila hiatrehina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Manana isa 7 izy ireo. Mitana ny laharana fahatelo anaty vondrona I. Milaza ireo mpiantsehatra baolina kitra, nanatrika ny fivoriana, omaly, fa tokony ho mpanazatra hentitra sy hatahoran’ny mpilalao no hitondra ny ekipa nasionaly malagasy.
Tsiahivina fa tokony ho fantatra amin’ny faran’ny volana ny anaran’ny mpanazatra sy ny teknisiana hitantana ny Barea de Madagascar. Amin’ ny volana marsa 2025 ny lalao manaraka. Hifandona amin’i Centrafrique sy i Ghana, i Madagasikara. Fanamby goavana miandry ny mpanazatra vaovao ny hahatafita ny Barea amin’ny “Mondial 2026”.

F.R

Partager sur: