Bazar de Noël: Azo vidiana amin’ny Airtel money ny entana

Mpanohana mivantana ny foara « Bazar de Noël » atao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 20 hatramin’ny 24 desambra izao, ny orinasa Airtel Madagasikara, karakarain’ny orinasa NComm Agency. Miavaka ity hetsika ity satria misy ny paikady noraisina amin’ ny fomba fanjifana. Ankoatra ny fandoavana lelavola, azo atao ny mividy ny entana na manjifa amin’ny alalan’ny Airtel money, manerana ireo tranoheva rehetra. Nohazavain’ny tale jeneralin’ny Airtel money, Randrianarison Heritiana, fa nohamoraina ny fomba fanjifana satria azo antoka sy haingana. Endrika iray hampiroboroboana ny fanabeazana ara-bola ihany koa. Satria tanjona ny hahafahan’ny besinimaro mampiasa ny fifanakalozam-bola amin’ny finday. Fotoana hanatonana bebe kokoa ny mpanjifa ireo dimy andro ireo, sady ahafahan’ny mpitsidika mifaly ao anatin’izao fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

Njaka A.

Partager sur: