Hifantoka betsaka amin’ny fanabeazana ara-bola sy ny fiarovana ny mpanjifa. Hanatsara ny fidirana sy ny fampiasana ny tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filana. Eo koa ny fanitarana ny tolotra sy ny vokatra ara-bola niomerika ary ny tontolo ara-pitantanana sy ny ara-dalàna.
Ireo ny mandrafitra ny paikady nasionaly ho an’ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka (SNIM), tanterahin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Manohana manokana ireo vehivavy mpandraharaha ary manome vahana ny toekarena maitso sy manga mitondra mankany amin’ny fampandrosoana maharitra ity paikady ity. Nampahafantarina ny zoma teo ny tetikasa. Aorian’izay, hisy ny fihaonamben’ireo mpamatsy vola, antoka lehibe amin’ny fanatanterahana ny SNIM. Tanjon’ny tetikasa ao anatin’ny dimy taona (2024-2028) ny hampiakatra ho 50% ny fampiasan’ny mponina ity paikady nasionaly ho an’ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka ity raha 25% izany ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany.
Fiaraha-miasa
Vokatry ny fiaraha-miasan’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa no nahafahana namolavola ny SNIM. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ireo banky isan-karazany, ireo fikambanana matihanina ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Mifanaraka tsara amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny SNIM 2024-2028 ary tohin’ny tetikasa natao ny taona 2018-2022 ho an’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD). Misongadina manokana ao anatin’izany ny fanamby apetraka manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fampandrosoana ny toekarena. Hampiroborobo ireo tetikasa maitso, toy ny fampiasana ny angovo azo havaozina sy ny fitantanana lovainjafy ireo otrikarena natoraly ny tetikasa maitso raha toa ka hitsinjo manokana ireo harena an-dranomasina sy ireo mponina mivelona amin’izany ny tetikasa manga. Dingana lehibe ho an’i Madagasikara ny fanatanterahana ny SNIM amin’ny alalan’ireo vina sy tanjona mazava apetrany amin’ny fanovana ny fampiasana ny tontolo ara-bola.
Henintsoa Hani