Madagascar Airlines : Miampy iray ny fiaramanidina ATR72-500

Nigadona teto Mada­ga­sikara, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora sy 25 alina, ny fiaramanidina ATR72-500 an’ny Madagascar Airlines amin’ny lokon’ny kaompania. Hanatevina ny isan’ireo fiaramanidina miisa dimy ampiasain’ny kaompaniam-pitaterana malagasy izy io. “Dingana lehibe ao anatin’ny tantaran’ny kampania ny fahazoana ity fiaramanidina vaovao ity ary tafiditra indrindra ao anatin’ny drafitrasan’ny Phoenix 2030 amin’ny fanatevenana ny sidina atao izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Thierry de Bailleul. Tonga nitsena izany tamin’ny fomba manetriketrika miaraka amin’ny “Water salute” teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaompania ary ny solontenan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany.
Malagasy 100% ireo olona hiasa ao amin’ny fiaramanidina, mifanandrify indrindra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny maha olona. Noho izany, manao antso mba hifanome tanana sy hiara-hiasa hatrany ny rantsamangaika rehetra mba ho reharehan’ny maha Malagasy ary hanatsara ny tolotra ho an’ny mpanjifa amin’ny ambaratonga rehetra hanatrarana ny tanjon’ny mpizahatany iray tapitrisa ny minisitra.
Ankoatra izay, mitotaly enina ny fiaramanidina ampiasain’ny kaompania hatramin’ny faran’ny taona. ATR72 avokoa ny efatra raha ofaina kosa ireo fiaramanidina roa hafa mba hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao.

Henintsoa H.

Partager sur: