Base Toliara: Hajaina ny lalàna sy ny fomban-tany

Fanapahan-kevitry ny fanjakana foibe ny nanokafana indray ny Base Toliara. Manaja ny fomban-tany koa anefa ny orinasa satria zava-dehibe ny soatoavina eny ifotony.

Taorian’ny tany Ankilimalinike sy Toliara I, ny kaominina Tsianisiha indray no nampahafantarana ny vahoaka ny fiverenan’ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara, ny 21 de­sambra 2024 teo. Nilaza ny talen’ny Fifandraisana amin’ny vahoaka ao amin’ny Base Toliara, Hatrifenjanahary Adrien, fa hisitraka tetikasa goavana ny faritra Atsimo Andrefana amin’ny alalan’ny Base Toliara, ka anisan’ny nitolona mafy nahazoana azy ny any Tsianisiha. Nohazavain’ny ben’ny Tanàna vonji­maika ao Tsianisiha, Rasoamamy, fa « hitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina sy ireo fokontany izany. Tsy afaka hionona amin’ny fambolena sy ny fiompiana intsony isika vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, toy ny tsy fisian’ny orana ». Tom­bondahiny lehibe ho an’ny tanora ihany koa ny fampiofanana eto an-toerana sy any ivelany, ho an’ireo hiditra hiasa ao amin’ ny orinasa. Mandritra ny 14 volana ny fikarakarana izany rehetra izany. Mitohy koa ny asa sosialy samihafa izay efa natao talohan’ny desambra 2019, nampiatoan’ny fanjakana ny Base Toliara.
Fanapahan-kevitry ny fanjakana

Notsindrin’ny solontenan’ny sefo distrika Toliara II, Ranoa­risoa Marcellin, fa fanapahan-kevi-panjakana ny nanalana ny fampiatoana ny Base Toliara ny 27 novambra teo. Koa, adidin’ny rafitra isan’ambaratongany ny manatanteraka azy. Tamin’io fotoana io koa no nangatahana ny tsodranon’ny raiamandreny sy ny olobe ary ireo mpitana hazomanga. Notolorana omby roa avy ny fokonolona any Tsianisiha sy Tsiafanoka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: