Rehefa ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely tahaka izao, mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny mividy vatomamy sy sokolà. Fomba efa fanao ho mariky ny fifampizarana hamamiana sy hafaliana eo amin’ny isan-tokantrano sy ny isam-piangonana izany amin’ny ankapobeny.
Andro iray sisa no isaina dia ho tonga ny fankalazana ny fetin’ny Noely. Efa eo am-panomanana tanteraka izany fankalazana izany ny ankamaroan’ny olona, amin’izao fotoana izao. Feno olona manerana ny tsena, mividy ny fitaovana sy ny zava-drehetra entina hanamarihina izany. Be mpividy amin’izany ny vatomamy sy ny sokolà ary ny mofo mamy.
“Mandeha ny tsena ho an’ireo karazan’entana toy ny vatomamy sy ny sokolà eny an-tsena, tao anatin’ny herinandro izay”, hoy ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana. Manjifa izany avokoa na ny isan-tokantrano, ny fiangonana, ny sekoly ary ny karazam-pikambanana maro samihafa. Sakafo tsy afa-misaraka amin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely ireo karazany ireo ka antony mahatonga ny maro hanjifa izany. Amin’ny ankapobeny, natao ho fanomezan’ny mpihavana sy ny ankohonana ao anivon’ny tokantrano ny antony hividianan’ny olona izany. Maro ny tokantrano efa zatra mifampizara mofomamy sy vatomamy ary sokolà ka tsy manadino ny manao izany isan-taona. “Marika iray hifampizarana hafaliana sy ny mamy ary hanamafisana ny fifankatiavana eo amin’ny fianakaviana ny antony hividianana ireo zavatra ireo”, hoy ny olon-tsotra nanontaniana. Ankoatra izay, fomba iray mba hahafahana mirary soa, mba haha mamy ny fiainana izany. Misy ihany koa ireo olon-tsotra manjifa vatomamy natokana hanaovana fanomezana ho an’ireo mpiara-miangona.
Niakatra ny vidin’entana tao anatin’ny herinandro
Nahitam-piakarany ny vidin’ny vatomamy sy ny mofo mamy ary ny sokolà eny an-tsena amin’izao, raha oharina tamin’ny herinandro lasa. Manodidina ny 22 000 hatramin’ny 25 000 Ariary ny kilaon’ny vatomamy eny an-tsena amin’izao fotoana. Raha toa ka 17 000 hatramin’ny 18 000 Ariary izany tamin’ny herinandro lasa. 15 000 Ariary kosa ny kilao tamin’izany, ny taona 2023. Tsy manakana ny olona hanjifa anefa izany fiakaram-bidiny izany, raha ny zava-misy. “Amin’ny ankapobeny, mahatratra hatramin’ny 10 kilao ny lanja farany ambony jifain’ny olona eny an-tsena”, hoy ny mpivarotra nanontaniana. Ny fiangonana sy ny sekoly no tena manjifa ny vatomamy betsaka indrindra. Fahefa-kilao kosa ny lanja farany ambany misy mividy, matetika ho an’ny olona vitsy an-trano kosa izany.
Tsy mandeha ny tsenan’ny « Buche de noël »
Ankoatra izay, sakafo manamarika ny fankalazana ny fetin’ny Noely, ny mofo mamy antsoina hoe: “Buche de noël”. Tsy mandeha ny tsena ho an’ity karazana mofo mamy ity na efa ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely aza, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. Manodidina ny 30 000 hatramin’ny 80 000 Ariary eo ny vidin’ny iray amin’izany, eny an-tsena. Miovaova, arakaraka ny kalitao sy ny halavan’ny mofo ny hamaritana ny vidiny, hoy hatrany ny mpivarotra. Amin’ny ankapobeny, tsy takatry ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy ihany koa ny vidiny. Sokajin’olona manan-katao sy manana fari-piainana antonony no tena mpanjifa ny vokatra, raha ny fanazavana.
Mila lanjalanjaina ny fihinanana mamy
Sakafo iray anisan’ny ahitana tahan-tsiramamy betsaka ny vatomamy sy ny mofo mamy. Tena ilain’ny vatan’olombelona ny fihinanana siramamy satria mamokatra angovo ho an’ny olona. Mampirindra ny fiasan’ny vatana, ahafany mihetsika sy mamita ny karazana asa ataony izany. Manana anjara toerana bebe kokoa amin’ny asa fandevonan-kanina, mifehy ny fahazotoan-komana ary mampiroborobo ny fahazoana torimaso izy io. Miteraka voka-dratsy ho an’ny vatana sy ny fahasalaman’ny olona anefa ny fihinanana siramamy be loatra ka ilana fitandremana ny fihinanana azy, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Anisan’ny mahatonga sy mampirongatra ny aretina homamiadana, ny diabeta ary ny fiakaran’ny tosidra ho an’ny olona iray izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ankoatra izay, mety hanome aretina sy fahasarotana amin’ny fiasan’ny fo sy ny atidoha ihany koa ny fihinanana azy io be loatra. Ho an’ny ankizy, mahatonga ny fihetsehan’ny areti-nify sy manimba ny ativava ihany koa ny fihinanana mamy loatra.
25 g isan’andro ny siramamy tsara ho an’ny vatana
« Ilaina fehezina sy lanjalanjaina ny fihinanana siramamy raha toa ka tsy maintsy mihinana izany ny olona iray », hoy ny mpitsabo nanontaniana. Latsaky ny 10% ny siramamy tokony hohanin’ny vatan’ny olombelona iray isan’andro, raha ny fanambarana nataon’ny Organisation mondiale de la santé (OMS). Raha ny zava-misy, mahalany siramamy hatramin’ny 140 g isan’andro ny olona iray, antontanisa maneran-tany, indrindra ho an’ny firenena andalam-pandrosoana, raha ny fanadihadiana nivoaka farany.
Nanatontosa : Mino