Anisan’ny fomba malagasy iray matanjaka any amin’ ny foko Betsimisaraka ny tsaboraha. Efa miha lefy laza izany ankehitriny noho ny fivoaran’ ny teknolojia.
Lanonana ara-drazana mbola tsy lefy laza ny antsoina hoe: “Tsaboraha” any amin’ny foko Betsimisaraka. Fomba amam-panao iray eo anivon’ny rafi-piarahamonina ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana izy io. Amin’izao fotoana izao, efa manomboka miova endrika ny fanatanterahana sy ny fomba fanaovana azy io. Miova manaraka izany ihany koa ny fankalazan’ny fianakaviana izany, noho ny fivoaran’ny karazam-pinoana tonga eto amin’ny Nosy. Vokany, lasa miteraka fisaraham-bazana eo amin’ny samy fianakaviana io fomba iray io, raha ny zava-misy.
Hifampiresahana amin’ny Zanahary sy ny razana
Fotoana hifampiresahan’ny olona amin’ny razambe na ireo olobe taloha efa lasan-korazana ny “Tsaboraha”, raha ny fanadihadiana natao tany amin’ny kaominina ambanivohitra Androrangavola, disitrikan’ i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo. Fiantsoana manokana ny Zagnahary sy ny razana izay ataon’ ny tangalamena izy io. Raha ho an’ny any Androrangavola manokana, fotoana natao hanaterana lamba hotafian’ny reny efa lasan-korazana kosa izany. Manatanteraka izany ny taranaka rehetra, indrindra ireo zanaka nateraka. Fomba iray natao hamonoana omby ihany koa mandritra ny lanonana. Endrika hangataham-pitahiana ho an’ny velona ny famonoana omby eny amin’ny toerana misy ny fasan-drazana na ny toby fanaovana izany. Ahitana ny “fisokina sy ny lambanambato”, toerana hifampiresahan’ny velona amin’ny Zagnahary sy ny razana.
Betsaka ny fiovana misy ankehitriny
Mijoro ny vatan-dehilahy matanjaka hitolona ny omby mialoha ny handavoana sy hamonoana azy, raha ny fomba taloha. Ankehitriny, efa betsaka ny mpikarakara ny hetsika izay tsy manao izany intsony. Antony mahatonga izany, ny fitomboan’ny hery hafa sy ny ody ratsy ka lasa maratran’ny omby ireo mpitolona. Ankoatra izay, misy karazan-kazo lazain’ny tangalamena fa manan-kasina manokana amin’ny fanaovana “fisokina”. Ankehitriny, efa maro ireo manova izany ho “béton” sy vy maranitra. Ho an’ny fisakafoana, ravina no ampiasain’ny fianakaviana ho solon’ny sotro sy vilia ary vilany tanimanga no fandrahoana, tamin’ny andro fahiny.
Efa azo lazaina fa betsaka ireo ankohonana tsy manao tsaboraha sy tsy mihinana henan’omby intsony. Noho ny fiitaran’ny fomba amam-panao sy ny ara-pinoana ary ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fidiran’ny kolontsaina vahiny eto amin’ny firenena.
Ireo zava-masina eo amin’ny toby
Apetraka amin’ny toerana saro-pady ao an-tokantrano ary hiaretan-tory ny fiambenana ireo lamba haterina ho an’ny Zagnahary sy ny razana. Atao mandritra izany ny “tsimandrimandry”, alim-pandihizana mandra-maraina. Entina any am-pasana na tragnomanara ny fitafy omena ireo razana amin’ny fotoana maraimbe. Ampiasaina, mandritra izany, ny “fisokina sy lambanambato”, izay karazam-pitaovana manan-kasina ho an’ny razana sy velona. Ny fisokina no hametrahana ny lohan’omby aorian’ny tsodrano avy amin’ny tangalamena. Mametraka izany kosa ny tovolahy velon-dray sy reny.
Mifampiresaka mialoha amin’ny razana
Efa mifampiresaka amin’ny fanahin’ny maty ny velona alohan’io fotoana io. Miseho amin’ny alalan’ny nofy milaza fa mangatsiaka ireo razana ireo ka mila ampitafiana lamba. Mety hiseho amin’ny aretina ka mankarary ny velona izany.
Nanatontosa : Sajo