Miakatra ny tahan’ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody eto Madagasikara. Samy misedra olana momba izany avokoa ny ankamaroan’ny sehatra rehetra, indrindra ny lafiny ara-pitsaboana. Antony tena mampirongatra azy io ny fanaovan’ny olona dokotera tena.
Nanavotra ain’olona aman-tapitrisany ny antibiotika satria nampihena be ny fiantraikan’ny aretina eo amin’ ny olombelona sy ny biby. Nanatsara ny fiainan’ny olona amin’ ny ankapobeny ihany koa izany tamin’ny alalan’ny fiarovana ara-tsakafo. “Lasa miakatra ny fahafahan’ireo mikraoba manohitra ireo fanafody ohanina na ny tohitra ody aina bitika (Ram) izay fampiasa andavanandro eto Madagasikara sy maneran-tany amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, nandritra ny Herinandro fanentanana ho an’ny tohitry ny mikraoba, tetsy Soarano ny herinandro lasa teo. Ho an’i Madagasikara, niakatra be ny tahan’ izany, indrindra eny anivon’ny hopitaly, ao amin’ny sampana famelomana aina noho ny fanaovana dokotera tena, raha ny fanazavany.
Manafoana ireo tombontsoa ireo ary manasarotra ny fandraisana an-tanana ireo areti-mifindra ny firongatry ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody (Ram). Lasa olana goavana maneran-tany ny Ram satria anisan’ny loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Tamin’ny taona 2019, nahafaty olona 1,27 tapitrisa maneran-tany ny Ram. Izay nahafaty olona manodidina ny 5 400 eto Madagasikara. Antony nahatonga izany ny fampiasana sy fihinanana antibiotika tafahoatra sy tsy ara-drariny, amin’ny alalan’ny fanaovan’ny olona dokotera tena. Mahatratra hatramin’ny 44% ny tahan’ny olona manao dokotera tena amin’ny fihinanana antibiotika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Avo kokoa ny tahan’ ny olona maty vokatry ny areti-mifindra, ny aretina eo amin’ny reny sy ny zaza vao teraka, ny aretin’ny fandevonan-kanina ary ireo areti-mifindra hafa.
“Efa zatra manao dokotera tena ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra rehefa mafanafana hoditra ka lasa mihinana antibiotika”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nambarany fa betsaka ny antony mahatonga ny fiakaran’ny hafanan’ny vatana ka tsy tokony hanao dokotera tena ny olona. Nohamafisiny koa fa anisan’ny mahatonga ny fiakaran’ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody izany. Vokany, tsy mandaitra intsony ny fanafody raha sanatria tojo aretina ary tsy misy azo atao intsony fa voatery miandry fahafatesana sisa ilay olona. Mba hisorohana izany, aleo manatona mpitsabo sy toeram-pitsaboana ihany vao mihinana antibiotika. Tsy mitovy amin’ny fanafody hafa izy io fa misoko mangina ao anatin’ny vatana ny fiasany. Amin’ny fotoana tena ilana azy io anefa mety tsy handaitra intsony izany.
Nandray fepetra i Madagasikara manoloana ireo olana ireo
Nanomboka niady tamin’ny fiparitahan’io loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka io i Madagasikara, tamin’ny taona 2016, tamin’ny alalan’ny fandraisana ny drafitra nasionaly napetraky ny OMS, ny taona 2019. Teo koa ny fiaraha-miombon’atoka sy fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro, toy ny FAO, OMSA ary ny PNUE, tamin’ny alalan’ny tetikasa Anti-microbial Résistance Multi Partner Trust Fund (AMR-MPTF) sy ny fandaharanasa Global Health Security (GSPH). Tanjona ny hampiroboroboana ny fahasalaman’ ny vahoaka. Fomba iray ahafahana mampivondrona ireo ezaka rehetra hanatsarana ny fahasalaman’ny olombelona sy ny biby ary ny tontolo iainana izy io. Hananganana hoavy mamiratra sy fahasalamana maharitra ho an’ny rehetra. Notanterahina tetsy Soarano, tamin’ny herinandro lasa teo, ny Herinandro maneran-tany hanaovana fanentanana ho an’ny tohitry ny mikraoba, teto Antananarivo.
Loza manambana ny fiparitahan’ny fakom-panafody
“Manana anjara toerana lehibe mahakasika ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody, ny sehatry ny tontolo iainana satria mivarina any amin’ny tontolo iainana avokoa ny fakom-panafody rehetra, anisan’izany ny mikraoba manohitra fanafody”, hoy i Samoela Miharisoa Nathalie, Point focal ny Ram eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, raha nanontaniana. Nambarany fa mety hiverina any amin’ny olombelona sy ny biby indray izany raha tsy misy fandraisana an-tanana amin’ny fintantana ny fakom-panafody sy ny loto miparitaka. Tsy izay ihany, ahitana izany koa ny sehatry ny fihariana anaty rano. “Aty amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano, eo amin’ ny fampiasana rano maloto avy amin’ny dobo sy ny mety hisian’ ny antibiotika any amin’ny sakafo omena ny trondro ny mety ahitana loza vokatry ny Ram”, hoy Rambohitrarivo Bertho, point focal ao amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toe-karena manga. Eo ihany koa ny fampiasana zezika na sakafo avy amin’ny biby an-tanety omena ny biby fiompy anaty rano. “Ho an’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana indray, azo lazaina fa misy ihany ny tohitry ny mikraoba eo amin’io sehatra io”, hoy Ramangason Honoré, Responsable de l’expérimentation de pesticides ao amin’ny sampandraharaha phytopharmacie. Maro ny antony mahatonga izany, toy ny fampifangaroan’ny tantsaha ny fanafody. Ny fampiasan’ny tantsaha fanafody miverimberina. Efa misy ny lalàna isan-karazany amin’ny fomba fampiasana fanafody miainga any amin’ny fankatoavana ny fanafody aloha ny hivarotana azy. Eo koa ny fanentanana ireo tantsaha momba ny fomba fambolena manara-drafitra sy manara-dalàna. Entanina ireo tantsaha mba hanatona ireo olona matihanina momba ny fanafody rehefa hividy izany hampiasaina amin’ny voly. Tanjona ny hisorohana ny tohitry ny mikraoba.
Nanatontosa : Mino