Manan-danja amin’ny maro ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Anisan’ny mahasarika ny ankamaroan’ny Malagasy ny miara-mifety amin’ny fianakaviana sy miala kely amin’ny mahazatra. Mbola vitsy ny olona tonga nanjifa ny tapakila ho an’ny eny anivon’ny trano fanaovana lanonana tamin’ny fotoana nanaovana fanadihadiana.
Fotoana iarahan’ny mpianakavy miara-mifety ny famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao ho avy. Samy manana ny fomba entiny mamarana ny taona sy hitsenany ny taona vaovao ny isan-tokantrano. Misy ny mamonjy alim-bavaka, maro ny mijanona an-trano. Misy ny mankalaza izany amin’ny alalan’ny fialana kely ny mahazatra sy ny fiainana andavanandro. Misy ireo mihataka kely ny renivohitra ka mandeha mihazo ny havana any ambanivohitra sy ny any amorontsiraka. Misy ihany koa ny mandeha mamonjy alim-padihizana eny anivon’ny trano fanaovana lanonana isan-karazany.
Tamin’ity taona ity, somary nahitana fihenana ny faharisian’ny olona mamandrika toerana sy fanjifan’ny olona ny tapakila hanatrika fety eny anivon’ireny ivontoerana ireny, raha ny fanadihadiana natao. Mbola tsy dia betsaka ny fanjifana izany hatramin’izao, raha ny fanazavan’ny mpikarakara lanonana. Nahitam-pihenana ihany koa ny fahefa-mividin’ny olona satria vitsy ny mpanjifa sy mpamandrika toerana hatramin’ny andro nanaovana fanadihadiana. “Amin’ny ankapobeny, mihasarotra ny asa fandraharahana amin’ny fikarakarana lanonana amin’izao fotoana izao nanomboka ny vanim-potoana nisian’ny valanaretina covid-19 teto amin’ny Nosy”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra sady mpikarakara lanonana iray eo anivon’ny Mada communication, i Kely Mada. “Antony mahatonga izany ny fahasahiranan’ny ankamaroan’ny olona. Manoloana izany, sarotra kokoa ny mandresy lahatra ny olona hamonjy fety aman-danonana amin’izao fotoana”, hoy izy. Sesilany kosa ny fanjifan’ny olona ny tapakila rehefa fotoana farany amin’ny fankalazana tahaka izao. Anisan’ny sedra lalovan’ny ankamaroan’ny mpikarakara lanonana rehetra amin’ny ankapobeny izany.
Handray olona manodidina ny 200 eo ho eo
Maro ny trano fanaovana lanonana eto an-dRenivohitra. Ho an’ny mpikarakara lanonana iray izay hanomana fety faran’ny taona etsy amin’ ny Yandy by-pass manokana, nanaovana fanadihadiana. Efa taona maro izy ireo no nilona tao anatin’ny asa fikarakarana lanonana. Fanamby goavana ataon’izy ireo ny hanomezana fifaliana sy fahafaham-po ho an’ny mpanjifa. Anisan’izany ny fikarohana tolotra vaovao hanafanana ny fety. Ho an’ny androany alina, nosafidiana manokana ny mpanakanto telo mianadahy, ahitana an’i Dadilove, Arnaah ary Ceasar. Mampiavaka ny fety eny an-toerana ny mpanakanto hanafana ny lanonana, ny tolotra maro samihafa, ny sakafo isan-karazany sy ny maro hafa. Nambaran’ ny mpikarakara fa mbola mitohy anio tontolo andro ny fivarotana tapakila, eny amin’ny trano fivarotana izany sy eny amin’ny trano hanantanterahana ny lanonana. Manodidina ny 200 hatramin’ny 250 eo ireo olona andrasana ho tonga hanatrika ny fetin’ny faran’ny taona eny anivon’ny trano fanaovana lanonana, amin’ny ankapobeny, eto an-dRenivohitra.
Midangana ny saram-pidirana
“Azo ambara fa mampitaintaina ny fety amin’ity taona ity satria tsy mahasahy manapa-kevitra ny mpanjifa raha tsy efa ankatoky ny fety”, hoy hatrany ny mpikarakara lanonana nanaovana fanadihadiana. Manodidina ny 195 000 hatramin’ny 250 000 Ariary ny saran’ny tapakila fidirana iray, raha te hanatrika fety eny anivon’ireny trano fanaovana lanonana ireny ny olon-dehibe. 125 000 Ariary kosa izany ho an’ny ankizy latsaky ny 10 taona.
Tsy nanokana volabe ny ankamaroan’ny olona
Tsy nanokana vola betsaka ny ankamaroan’ny tokantrano satria efa fety telo sosona no ankalazaina rehefa volana desambra tahaka izao. Vola hanaovana fety ao anivon’ny tokantrano ny tena nomanin’ny isan-tokantrano sy ny ankamaroan’ny olona nanontaniana. Natokana ho an’ny sakafo hohanina ao an-tokantrano, kilalao ho an’ny ankizy ny tena ataon’ ny olona hiandrasana ny taona vaovao, amin’ny ankapobeny toy izao ny fandaharam-potoan’ny tsirairay amin’ny fety, anio. Mikarakara sakafo hiaraha-mihinana ny isan-tokantrano amin’ny hariva, miara-mandihy sy mifety mandra-piandry ny taona vaovao ary faranana amin’ny fifampiarahabana izany avy eo.
Nanatontosa : Mino