Faran’ny taona sy taom-baovao: Fotoana namangiana ray aman-dreny sy niarahan’ny mpianakavy nifety

Zava-dehibe ho an’ ny ankamaroan’ny Malagasy ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Fo­toana nanomezana sehatra nahafahan’ny mpianakavy niara-nifety sy namangiana ireo ray aman-dreny mbola velona ihany koa io fotoana io.

Miezaka mankalaza ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao miaraka tamin’ny fiankaviany ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Nampifaly ny isam-pianakaviana amin’ny tetibola ananany ny tokantrano tsirairay. Samy nandamina ny fotoanany avy izy ireo, araka izany. Fotoana iray anisan’ny manan-danja eo amin’ny maro ny fiarahana amin’ny fianakaviana. Na dia maro ihany koa aza ireo nisafidy ny hiala ny Renivohitra sy hamonjy ny morontsiraka mba hiala sasatra kely sy hanatanteraka fety. Ho an’ny olona manan-katao, nisafidy ny hanao ny fetin’ny faran’ny taona teny anivon’ny trano fanaovana lanonana izy ireo. Ho an’ny isan-tokantrano, nanomana fety, nanomana sakafom-pifaliana niandrasana ny fiandohan’ny taona izy ireo. Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpianakavy nifanakaiky toeram-ponenana. Rehefa tapitra ny faran’ny taona, nandeha namangy ny ray aman-dreny ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy.
Fotoana niarahan’ny mpianakavy nifety ny faran’ny taona sy ny taom-baovao lasa teo. Nifampitaona ny ankamaroan’ny zanaka, na alavitra na akaiky, ka nandeha namangy ny ray aman-dreny ary niara-nisakafo, indrindra ny andron’ ny taom-baovao. “Rehefa ohatra izao, araraotina ny fotoana andehanana mamangy ny ray aman-dreny na eo aza ny fahasahiranana”, hoy i Hanta, renim-pianakaviana iray nanontaniana. Misy ny solombodiakoho omen’ny zanaka ho an’ireo ray aman-dreny mandritra izany. “Tanjona ny hirariana soa azy ireo mba ho ela velona sy ho salama hatrany mandritra ny taona ary iara-kiriaria hatrany raha sitrapon’ny Tompo”, hoy izy. Fomba iray hanehoana fa tsy manadino ny ray aman-dreny niteraka ihany koa io fotoana io.

Nisantatra ny taona vaovao tany am-piangonana ny olona sasany
Ankoatra izay, amin’ny maha taom-baovao ny andro omaly. Nisantatra izany tamin’ny alalan’ny fivavahana sy fandehanana tany am-piangonana ny ankamaroan’ny olona vao maraina. Tamin’ny ankapobeny, niditra indray mandeha ihany ny fiangonana ho an’ny omaly. Anisan’izany ny fiangonana Katolika sy FJKM. “Ilaina sy tena tsara ny fametrahana sy fanankinana ny taona vaovao amin’Andria­manitra rehefa voalohan’ny taona tahaka izao”, hoy i Voahirana, renim-pianakaviana iray hafa nanontaniana. Mba izy hatrany no hitantana ny dianao mandritra ity taona ity.

Nihena ny ratra vokatry ny fisotroana
Ankoatra izay, somary vitsy ihany koa ny tranga sy ny loza vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola tonga teny anivon’ny mpitsabo nandritra ny fety, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanontaniana. Hatramin’izay, vokatry ny fahamamoana sy ny tsy fahazakana zava-pisotro misy alikaola avokoa ny ankamaroan’ny ady misy, indrindra rehefa fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Tsy mahay mifety loatra ny Malagasy satria lasa miafara amin’ny ratra sy vono ary fahafatesana mihitsy izany, indraindray. Somary nahay nitandrin-tena ihany anefa ny olona satria vitsy ireo olona niady sy naratra, vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola, nanatona azy ireo.

Nihena ny aretin-kibo mpahazo ny olona

Nahitana fihenana ny trangana aretin-kibo sy fivalanana mpahazo ny olona mandritra ny fanamarihana ny fety, raha oharina tamin’ny taon-dasa, raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny toeram-pitsaboana tsy miankina teto Antananarivo. Manodidina ny 30% ny olona tonga manatona mpitsabo no voan’ny aretina tamin’iny fety iny. Raha toa ka nahatratra 50% ny tahan’izany tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra voaray. Antony nahatonga izany, ny fahaizan’ny olona nifety ara-dalàna nandritra ireo fotoana ireo. Teo koa ny fitandreman’ny olona, indrindra teo amin’ny sakafo ohanina sy karakaraina.
Ireo ankizy kosa no tena voan’ny aretin-kibo sy fivalanana tamin’ireo trangan’aretina nisy. “Tia mihinana mamy sy sakafo be loatra tsy toy ny mahazatra izy ireo ka mahatonga fivalanana sy aretin-kibo”, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo. Antony mahatonga ireo aretina ireo ny fiovan’ny sakafo hohanin’ny olona rehefa fotoanan’ny fety. “Diso be loatra ny sakafo hohanin’ny olona rehefa fotoanan’ny fety raha oharina amin’ny andavanandro”, hoy ny mpitsabo. Lasa hohanina indray miaraka ny karazan-tsakafo maro samihafa. Raha toa ka indray na indroa ny olona no misakafo andavanandro. “Lasa miteraka aretina eo amin’ny vavony sy ny tsinay izany ka lasa miteraka aretin-kibo sy vavony”, hoy ny dokotera Rakotonindrina Norbert. Ankoatra izay, tsy ara-dalàna koa ny fahadiovan’ny sakafo hohanina. Amin’izao fotoana, mafana dia mafana ny andro ary mora mivadika ny mayonnaise. Tokony ho notahirizina tao anaty vata fampangatsiahana izy ireny nefa tsy manana io fitaovana io ny ankamaroan’ny olona, lasa mivadika poizina ho an’ny kibo izany. Amin’ny ankapobeny, tsy voafehin’ny olona sasany ny fanamboarana azy ireny ka lasa miteraka aretina ho an’izay nihinana ilay sakafo nafangaro taminy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: