Fetin’ny faran’ny taona : Efatra no maty, 251 nozaham-pahasalamana tao amin’ny hopitaly CHU JRA

Nahatratra 251 ireo olona nozaham-pahasalamana teo anivon’ny hopitaly CHU JRA nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao 2025 lasa teo. Efatra tamin’ireo maty teo anivon’ny hopitaly raha toa ka telo ireo maty avy any ivelany. 229 teo anivon’ny sampana vonjy aina ary 22 teo anivon’ny sampana famelomana aina.

Raha ho an’ny sampana vonjy aina manokana, nahatratra 229 ireo olona nozaham-pahasalamana, ny alin’ny 31 desambra 2024 sy ny voalohan’ny volana janoary lasa teo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny hôpitaly CHU JRA, omaly. 22 tamin’izy ireo tsy maintsy notazomina teny anivon’ny hopitaly. Efatra ny teo anivon’ny hopitaly, raha toa ka telo ireo maty tany ivelany. Somary nitombo ny isan’ny olona nozaham-pahasalamana teny anivon’io hopitaly io, tamin’ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao lasa teo, raha oharina tamin’ny taon-dasa. Izay nanodidina ny 228 izany tamin’ny taona 2024. Nihena kosa ny olona tsy maintsy naiditra hopitaly tamin’ity taona ity, nahatratra 46 izany tamin’ny taon-dasa, raha toa ka 22 ny tamin’ity taona ity. Niakatra kosa ny isan’ny maty tamin’ity raha toa ka roa ny maty teo anivon’ny hopitaly ary roa hafa maty tany ivelany, ho an’ny taona lasa.
Ankoatra izay, nahatratra 112 ny ratra vokatry ny accident de responsabilité civile nandritra ireo fety ireo. Miisa 44 izany ny alin’ny 31 desambra lasa teo, raha toa ka 68 ny voalohan’ny volana janoary. Nahatratra 34 ny ratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana. 10 niseho ny alin’ny 31 desambra, 24 kosa ny voalohan’ny janoary. 32 ny ratra vokatry ny loza an-tokantrano. Mano­didina ny 23 izany ny 1 janoary raha toa ka 9 ny 31 desambra. Nanodidina ny 36 ireo ratra vokatry ny aretina hafa mpahazo ny olona.

Efatra namono tena
Nahatratra 22 ireo olona natao fizaham-pahasalamana teny anivon’ny sampana famelomana aina (service d’urgence de réanimation médicale), ny voalohan’ny janoary lasa teo, raha ny tatitra voaray hatrany. Sivy tamin’ireo tsy maintsy naiditra hopitaly. Lehilahy dimy narary tsy nahatsiaro tena noho ny fibobohana zava-pisotro misy alikaola. Olona efatra namono tena, lehilahy ny telo, vehivavy ny iray ary zaza iray hafa. Somary nidina ireo taha ireo raha oharina tamin’ny voalohan’ny volana janoary 2024 lasa teo.
Mahakasika ny aretim-pivalanana indray, olona telo voan’ny fanapoizinana ara-tsakafo, nahitana lehilahy iray sy vehivavy iray ary zaza iray hafa. Ankoatra izay, lehilahy dimy sy zaza iray no tratran’ny aretina tsotra.
Nandritra ny alin’ny 31 desambra 2024 teo, lehilahy iray sy vehivavy iray narary tsy nahatsiaro tena noho ny fibobohana zava-pisotro misy alikaola. Olona roa, lehilahy sy vehivavy no fantatra fa namono tena. Mahakasika ny aretim-pivalanana indray, vehivavy iray voan’ny fanapoizinana ara-tsakafo tamin’io andro io. Tsy nisy kosa ireo olona maty vokatr’ireo aretina ireo fa efa voatsabo avokoa ny ankamaroan’izy ireo rehefa nentina namonjy hopitaly avy hatrany.

55 voasambotra ny faran’ny taona

Nahatratra 55 ireo olona voasambotra nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona teo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisim-pirenena, omaly. Tafiditra ao anatin’izany ireo olona nanaovana fanadihadiana tsotra sy ireo olona mamo teny an-dalambe. Nahatratra roa kosa ny trangana halatra miharo herisetra sy nampiasa fitaovam-piadiana toy ny antsy. Tanteraka ny tranga iray tamin’ireo raha toa ka voasoroka kosa ny tranga iray hafa. Miisa telo ny halatra miharo vaky trano, tanteraka ny iray tamin’ireo raha toa ka voasoroky ny mpitandro filaminana ny roa. Manodidina ny 10 ny trangana fanendahana ary efatra ireo halatra tsotra. Iray tamin’ireo tranga ireo no voasoroka. Ankoatra izay, nahatratra 13 ny lozam-pifamoivozana nitranga nandritra ny fety. Naharatrana olona sivy ny lozam-pifamoivoizana valo tamin’ireo. Namoizana ain’olona efatra ny roa. Fantatra, tamin’izany, fa olona efatra ireo mamo teo am-pamiliana fiara. Marihina fa nandray andraikitra feno ny polisim-pirenena tamin’ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona 31 desambra 2024 sy ny 01 janoary 2025 lasa teo. Nisy, araka izany, ny lamina manokana napetraka tamin’izany nahafahana nanatratra ny tanjona.

Trangana firehetana
Nahitana firehetana iray tetsy Tsaralalana, ny alin’ny 31 desambra lasa teo. Fifampikasohana herinaratra (court-circuit) no anton’ny afo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny sampana mpamonjy voina, omaly. Nanatanteraka ny asa famonjena, tamin’izany, ny teo anivon’ity sampana etsy Tsaralalana ity.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: