Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana, mpamaky trano iray tra-tehaka teny Ambolokandrina, boriborintany faharoa, ny 2 janoary teo tamin’ny 1 ora maraina. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina, nikasa hanao ny asa ratsiny io lehilahy io. Nanao fisafoana ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny boriborintany faharoa. Sarona teo am-panatontosana ny vaky trano nokasaina hataony io mpangalatra io. Tsy afa-nandositra intsony, nosavain’ny mpitandro filaminana izy. Nahatrarana antsy sy basy poleta kilalao teny aminy. Ankoatr’ireo, nihazona zava-maranitra hafa fampiasany koa izy. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy avy hatrany ka natao famotorana. Natolotra ny fampanoavana ary voatery nohazonina vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy. Marihina, tsy mandry andro, tsy mandry alina, mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana hisamborana ireo tontakely sy mpanao fanafihana eto Antananarivo Renivohitra.
Tsiferana R.