Tsy ny Barea de Madagascar irery no miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina sady tsy misy mpilaravinahitra «Chan 2025». Manana mpitsara hitantana izany fihaonana an-tampony aty Afrika izany koa ny Malagasy.
26 andro tsy hahatongavana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina amin’ny taranja baolina kitra «Chan 2025». Ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany no namoaka ny lisitry ny mpitsara miisa 65 voatendry hitantana ireo lalao rehetra hotanterahina amin’izany fihaonana an-tampony aty Afrika izany ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf).
Anisan’ireo firenena manana solontena hitsara ity « Chan 2025 » ity i Madagasikara, amin’ny alalan-dRakotojaona Andofetra. Ao anatin’ireo ho mpitsara voalohany, izany hoe, eo afovoany mihitsy ny lehilahy. Mahatratra 26 mirahalahy izy ireo no hisahana io andraikitra goavana io. Tsy olom-baovao amin’ny fitsarana fihaonana lehibe toa izao i Andofetra. Efa maro ireo lalao notsarainy, toy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can), ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (Ligue des champions), ny amboaran’ny Caf, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Tsiahivina fa telo mirahalahy izy ireo no avy amin’ny ranomasimbe Indianina, ka ankoatran’i Andofetra, eo koa ilay kaomorianina, i Mohamed Athoumani, sy ilay maorisianina, i Milazare Patrice.
Mpitsara an-jorony sy ny VAR
Ankoatra izay, misy 25 ny mpitsara an-jorony ary 14 hiandraikitra ny Var (Video Assistant Referee). Marihina fa 18 ireo firenena hiady ho lohany amin’ity « Chan 2025 » ity, ka anisan’izany ny Barea de Madagascar, izay nahazo ny medaly alimo tamin’ny taona 2023. Tsy anisan’ireo tafita amin’ity “Chan 2025” ity, ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, ny kintana maintin’i Ghana ary i Tchad. Niala an-daharana ny Faraonan’i Egypte sy ny Aigle du Carthage Tunisie ary ny Les Fennecs d’Algerie.
Tsy mbola tontosa moa ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ity fihaonana ity. Ny 1 – 28 febroary ny fifaninanana, hatao any Tanzanie sy Kenya ary i Ouganda.
Tompondaka