Presidential Medal of Freedom: tsy nitranga tamin’ny fanolorana medaly i Messi

Mialoha ny hialan’ny filoha Joe Biden amin’ny toerany, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tany Etazonia, tao amin’ny trano fotsy, izay toeram-piasan’ny filoham-pirenena amerikanina ny lanonan-dehibe “Presidential Medal of Freedom”. Fotoana hanomezana mari-boninahitra sy mari-pankasitrahana ho an’ireo olona niavaka indrindra tany amerika, ny taona 2024. Niisa 19 izy ireo no nisitraka izany ka anisany ilay kintan’ny baolina kitra arzantina, i Lionel Messi. Akory anefa ny hagagan’ny rehetra fa tsy nitranga tamin’izany fotoana goavana sy manan-kaja indrindra izany izy. Nandefa taratasy fialantsiny tamin’ny filoha Joe Biden ny tenany fa voatazona any amin’ny zavatra hafa izy. Noraisin’ireo olona manan-kaja tao amin’ny trano fotsy ho fanaovana tsinontsinona azy ireo izany. Marihina fa fankasitrahana ireo olona nanome ohatra tsara tamin’ny soatoavina amerikanina sy nametraka fandriampahalemana tany an-toerana sy maneran-tany ny “Presidential Medal of Freedom”.

Tompondaka

Partager sur: