Fisotroan-dronono: nivoaka ny tetiandro hamoahana ny vola

Efa mivoaka ny tetiandron’ny fandraisana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona misitraka izany, ho an’ity volana janoary 2025 ity. Ho an’ny eny amin’ny perception, TP, TPIC, eto Analamanga. Hanomboka ny zoma 10 janoary izao izany ho an’ireo manana laharana mifarana amin’ny 0 ka hatramin’ny 2. Ho an’ny laharana miafara amin’ny 3 ka hatramin’ny 5 kosa, ny alatsinainy 13 janoary. Mitohy ny talata 14 janoary ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 6 ka hatramin’ny 9. Ny alarobia 15 janoary no anjaran’ny laharana miafara amin’ny A-B-C-D-E. Misokatra ho an’ireo mitondra fahazoan-dalana manokana ny fakana izany ny alakamisy 16 janoary.
Ho an’ny eny amin’ny PGA sy RGA Antaninarenina kosa ny laharana miafara amin’ny 0 hatramin’ny 5 no mahazo ny vola fisotroan-drononony ny zoma 10 janoary. Mitohy ny 13 janoary ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 6 hatramin’ny 9 ary ny A sy B. Ny talata 14 janoary no maka ny azy ny laharana miafara amin’ny C, D, E. Mitohy ho an’ny mitondra fahazoan-dalana manokana izany ny alarobia 15 janoary.

Tatiana A

Partager sur: