Sady manabe no mianatra rehefa eo amin’ny sehatry ny asa soratra, indrindra amin’ny maha zavakanto azy. Mahavelombolo ny mahita ny tanora liana sy mirotsaka amin’ny sehatra sahala amin’izao.
Randrianirina Johanesa Albert, fantatra amin’ny anarana maha mpanoratra azy hoe “Dalhy”. Malagasy mpanakanto niditra teo amin’ny sehatry ny asa soratra nanomboka ny taona 2019 ny tenany. Ny taona 2022 kosa izy no niditra teo amin’ny sehatry ny matihanina sy ara-dalàna kokoa ka nirotsaka ho mpikambana eo anivon’ny Havàtsa Upem (Union des poètes et écrivains malgache). Tononkalo, tononkira, sombin-tantara, tantara an’onjam-peo ireo no manavanana an’i Dalhy amin’ny fanoratana. Fiteny malagasy no ifotorana fa mahafehy ny teny frantsay sy alemana ihany koa ity mpanoratra ity.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny famolavolana olom-banona sy vonona tokoa ny mpanoratra. Ankoatra ny maha fialamboly azy, mitaiza sy manabe ihany koa ny asa soratra. Izy ireny no manentana sy mahatonga saina ny olona amin’ny zava-misy eo amin’ny firenena ka manainga ny olom-pirenena tsirairay handray andraikitra. “Ny nidirako teo anivon’ny fikambanana Havàtsa Upem no nahitako ny lanjan’ny asan’ny mpanoratra: hanatevina sy handrakitra an-tantara ny seho isan’andro; miaro sy mitahiry ary manabe voho ny teny malagasy. Manoratra ihany koa aho mba hahafahako maneho hevitra amin’ny sehatra maro”, hoy i Johanesa Dalhy.
Fanarahan-dalàna
Na eo aza ny talenta, ilaina ny miditra eo amin’ny sehatry ny matihanina sy ara-dalàna. Hita ho mihamitombo mantsy ireo tanora miditra eo amin’ny sehatry ny asa soratra. Izany indrindra no tokony hidiran’izy ireo eo anivon’ny fikambanan’ny mpanoratra. Tanjona ao anatin’izany ny hahafantarana ny maha izy azy ny asa soratra mba tsy hampivaralila izany. Manampy azy ireo amin’ny fampivelarana ny asa sorany ihany koa ny fidirana eo amin’ny sehatry ny matihanina.
Lin