Ny sabotsy 4 janoary teo, nindaosin’ny fahafatesana Razafindranivo Serge Antonio, fantatra teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, tamin’ny anarana « Lezily ». Manavanana azy ilay fihetsika sy fiteny mahatsikaiky. Sarimihetsika anisan’ny nahafantarana an’i Lezily ny « R’izy mianakavy ». Nanapa-tsinay olona maro ny fandraisany anjara sy Ikala Berta, tao anatin’io tantara io. Hain’i Lezily tokoa ny nitana ny anjara toeran’ny mpanampy. Nohateveniny tamin’ny fahaizany mampihomehy izany.
Nambaran’ny fianakaviany sy ireo nahafantatra azy fa: “be sangisangy, mpampihomehy ary mpanentana i Serge teo amin’ny ankohonany sy ny fiainam-pianakaviana, teo amin’ny fiarahamonina. Raim-pianakaviana matotra anefa izy, ary nanao izay ho afany tamin’ny famelomana ny vady aman-janany. Noho ny asany mandehandeha lava hatrany am-pitandranomasina no tsy nahafahany nanohy ny filalaovana sarimihetsika intsony. Niato rahateo ny trano famokarana tamin’ny fotoan’androny. Havizanana tafahoatra tamin’ny asany no nankarary azy tampoka, ary namoizany ny ainy tao anatin’ny fotoana fohy”.
38 taona Razafindranivo Serge Antonio izao nodimandry izao. Namela mananontena iray sy kamboty 4 mianadahy. Notontosaina, omaly, teny Masindray, ny fanitrihana ny razana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana rehetra sy ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto