Fondation H: voaravaka hetsika ara-javakanto ny janoary

Misokatra sy ahitana hetsika maro samihafa eny amin’ny Fondation H Ambatomena, na mbola andro vitsy aza no niantombohan’ny taona. Ankoatra ireo fampirantiana mandravaka ity ivontoerana ity, amin’izao fotoana izao, hita eny an-toerana ny atrikasa natao ho an’olon-tsotra. Eo ihany koa ireo fampiofanana sy velakevitra misokatra ho an’ny rehetra. Amin’ny ankapobeny, feno sahady ny fandaharam-potoan’ny Fondation H Ambatomena, amin’ity volana janoary ity.
Efa nisy ny atrikasa momba ny fanaovana petakofehy, ny sabotsy teo. Ny atrikasa Hay tanterahina isaky ny alarobia kosa no ho hita eny an-toerana, amin’ity anio ity, iarahana amin’i Barbara Portailler, Malagasy mpanakanto manana ila Frantsay. Eo ihany koa ny fihaonana iresahana mahakasika ny saripika, iarahana amin’i Miora Rajaonary sy Aina Zo Raberanto. Ho hita eny an-toerana amin’ity volana ity ny atrikasa momba ny fanoratana iarahana amin’i Mose Njo. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaimpoana ny hetsika rehetra eny an-toerana.

Lin

Partager sur: