Mazava ny resaka !

Hiasa ny fitondrana amin’ity taona 2025 ity! Mazava ny resaka nataon’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly. Mbola hisongadina ny asa sy vokatra araka ny andrasan’ny sarambabem-bahoaka azy. Ho fanamafisana ny kabary tamin’ny fa­ran’ny taona, nohitrikitrihan’ny filoha Rajoelina Andry ny fitsinjovana ny vahoaka tsy mandady harona.
Hita amin’ny fizotry ny fihaonana omaly, fa eo ny tena manam-piniavana sy mahafehy ny departemantany. Misy ny manam-piniavana fa ohatrany disodiso taranja izany. Misy no sady tsy atsy no tsy eroa. Manana kapiten’ny ekipa matotra anefa ny governemanta ka heverina fa izay ilay asa an-tarika. Mifamenomeno eo ny ezaka vitan’ny maharaka ny dian’ny TGV sy ny somary marefo.
Tombana faobe rahateo no ataon’ny vahoaka amin’ny mpitondra. Vao misy mikatso na tsy mandeha dia ingahy isany: ny filoha sy ny praiminisitra no ampidirina anaty gony iray. Mila mametraka mazava ny zotra ho arahiny ny mpitondra amin’izao fiandohan’ny taona izao. Iaraha-mahalala fa mitsapatsapa ny halalin’ny rano rahateo ny mpanohitra. Ireto farany izay kinkina sy “tapaka be” mitady izay ho sarangotina ihany koa.
Ny vahoaka ihany no “patron”, tsy tokony ho hadino izay na dia efa tratran’ny fidororoana faobe aza amin’izao fotoana izao. Efa donton’ny adim-piainana sy ny fahantrana ka tsy manana ilay fanahy afaka mandanjalanja intsony. Mihinana am-bolony izay aroso eny am-bilia. Tsy mahalala intsony fa mandrapaka izay toloram-potsiny sy tsy nisasarana. Zava-doza!
Simba tanteraka ny foto-pisainana sy ny soatoavina Malagasy. Mitaky fandraisana andraikitra misimisy kokoa amin’ny mpitondra izany. Miandrandra fahagagana sy politikam-pampandrosoana matotra izany. Ampy izay ny fitsetserana sy “werawera”. Mazava ny resaka!

Partager sur: