Velaran-tany 53ha no nambolen’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola zana-kazo “érables” sy “frênes” ny zoma teo, tany Fieferamanga Arivonimamo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fambolen-kazo tanterahin’ny fitondram-panjakana nanomboka ny 16 desambra 2024 izany. Tanjona ny handrakofana ala ny toerana tafiditra ao anatin’ny tetikasa filamatry ny fitondram-panjakana « Ankohonana miarina ». Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Manan-danja manokana ho an’ny minisitera i Fieferamanga Arivonimamo noho izy ivon’ ny tetikasam-panjakana voalaza etsy ambony. Misongadina manokana ao ny fampiroboroboana ny lafiny maha olona, ny sosialy ary ny toekarena. Tanjona ny hametrahana vondrom-piarahamonina hahay hitantanana maharitra ny otrikarena voajanahary sy hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tontolo iainana ho an’ny taranaka any aoriana. « Efa miantrana aman-taona maro eto amintsika ny fiovaovan’ny toetr’andro indrindra ny haintany sns », hoy ny minisitra. Nomarihina fa hetsika atao ho an’ny taranaka izao atao izao.
Henintsoa H.