Tapaka ny RN6: taterina amin’ny vedety ny olona any Mahavavy

Tapaka ny lalam-pirenena faha-6, eo amin’ny reniranon’i Mahavavy, vokatry ny rivodoza Dikeledi. Ny fiara kely ihany koa no afaka miampita eo amin’ny tetezana any Manambery, RN5.

Tototry ny rano ny fivilian-dalana vonjimaika miampita ny reniranon’i Mahavavy amin’ny lalam-pirenena faha-6, vokatry ny rivodoza Dikeledi. Tapaka ny fifamoivoizana ho an’ny fiara rehetra, fa ny olona no taterina amin’ny sambo kely vedety, avy amin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindomin-doza (BNGRC). Miantoka ny famatsiana solika mampandeha azy ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Miara-miasa amin’ny fitantanana sy ny fandrindrana ary ny fanaraha-maso ny raharaha ny Rafitra iombonana mpanara-maso (OMC) sy ny CRGRC Ambilombe. Tsy azon’ny fiara ivezivezena eo amin’ny fivilian-dalana Mahavavy satria mbola miha miakatra hatrany ny haavon’ny renirano. Efa vonona ny MTP sy ny orinasa Colas hanarina ny fivilian-dalana raha vao midina ny rano, hamerenana haingana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana.
Etsy ankilany, efa manomboka mihena tsikelikely ny haavon’ny rano eo amin’ny fivilian-dalana any Manambery, amin’ny RN5 (PK 173), mampitohy an’Ambilombe sy Vohemar, faritra Sava, taorian’ny fandovan’i Dikeledi ihany koa. Efa vonona hanarina ny simba ny orinasa CRBC, araka ny fidinana ifotony teny an-toerana, omaly tolakandro.

Afaka mandeha ny fiara latsaky ny 5t amin’ny RN5
Mialoha izany, nosokafana ho an’ny fiara kely, latsaky ny 5t ny tetezan’i Manambery, raha vao niakatra tsikelikely ny renirano. Mandeha tsirairay, ary tsy mihoatra ny 5km/ora ny hafainganam-pandeha. Tsy mahazo mandeha kosa ny fiara vaventy, fa miandry ny fandaminana sy ny fepetra apetraky ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Ankoatra ireo, tsy nanimba fotodrafitrasa, lalana, loatra ny rivodoza Dikeledi tao an-tampon-tanànan’i Nosy Be. Efa nesorina ny hazo tapaka nianjera teny amin’ny arabe.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: