Indray mijery

 Nanomboka ny volana oktobra 2024, hifarana ny volana avrily ho avy izao, 1,7 tapitrisa ny isan’ny olona tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) ara-tsakafo, ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana. Sakafo 18 500 t sy vola mitentina 6 tapitrisa dolara no notsinjaraina mivantana tamin’ny tokantrano hanampiana azy ireo amin’ny filana maika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, i Outman Badaoui.
 Notanterahina ny herinandro lasa teo, teny Befotoana, akaiky ny alan’Ankarafantsika ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2025, ho an’ny faritra Boeny-Betsiboka. Notarihin’ny fitaleavana iraisam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, ao an-toerana.
Zana-kazo toy ny hazomborona, bonara, mangarahara ary sambalahy, miisa 11 000 fototra, tamin’ny velarantany 10 ha, no hanarenana ny alan’ny Ankarafantsika may.
 Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, ireo mpikambana mivondrona ao amin’ny Fikambanamben’ny Profesora eto Madagasikara. Nanao tombana ireo asa vita sy ny fanamby mbola miandry amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa izy ireo.
 Nisafidy ny hampijanona ny zanany tsy handeha an-tsekoly noho ny ora-mikija nisesy ireo ray aman-dreny manan-janaka madinika. Malama ny lalana, mandeha tanimbary ny sasany… Sarotra kosa ny taxi-be amin’ny ora fodiana rehefa avy ny orana no antony

Partager sur: