Nainako, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hampiaina ny mozika avy any atsimo, laroina mozika maoderina ny tarika, manomboka amin’ny 8 ora alina. Anisan’ireo nitondra aina vao ho an’ny mozika antandroy ny tarika, araka izany. Mbola tsapa anatin’ny sanganasan’izy ireo hatrany anefa ilay fototra niaingana tao amin’ny tarika Vaovy sy mbola voiziny ankehitriny.
Masabao, eny amin’ny No Comment Bar Isoraka. Haneho ny taroba beko, anio manomboka amin’ ny 8 ora alina, ny tarika. Fifangaroana gadona avy any androy, arahina zavamaneno nentim-paharazana ny taroba beko, voizin’ny Masabao. Ireo liana amin’ny mozika vaovao no tena andrasana hijery ny sehon’izy ireo.
Handray an-dry Ony, Tolotra, Nary, Dougl ary Tsilavo indray ny Piment Café Behoririka, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Tsy mila ampahafantarina intsony fa efa hain’ny mpankafy: hamerina indray ireo ampahan’ny hiran’ny tarika Mahaleo ry zalahy, indrindra ireo sanganasan’i Dadah R’Abel. Tsy izay ihany anefa fa mivelatra amin’ny famerenana hira hafa, izay arahin-gitara ireto mpanakanto ireto.
“Anao ny sehatra”, etsy amin’ny Akademiam-pirenen’ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac), sampana Analamanga, Anosy. Seho atolotr’ireo mpianatra gitara, violon, piano ary zavamaneno ravaka izy ity, izay hatao ny sabotsy 18 janoary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Mpianatra miisa 10 eo no haneho izay norantoviny mandritra izany.