Amin’ny ankapobeny, miakatra ny vidin-javatra rehetra amin’ny tany iray ary mitohy sy maharitra. Tambin’ izay, mihena ny fahefa-mividy, mihakely na tsy voavidy intsony ny tolotra misy raha oharina amin’ny teo aloha.
Tokony ho voalohany manome aina ny toekarena malagasy ny fambolena sy ny fiompiana atao eto an-toerana. Raha nitombo kely izany ny taona 2023, nampiakatra kely ny harinkarena faobe ho 3,8%, nihena indray izany tamin’ny taon-dasa, noho ny faharatsian’ny andro izay hitohy amin’ity taona 2025 ity. Manaraka izay, ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, nefa ratsy ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, manaraka ny indostria mpanao lamba sy ny serasera eto amintsika. Ny hafa, toy ny fizahantany tsy mankaiza firy, indrindra noho ny fahalafosan’ny saran-dalana. Na izany aza, miverina tsikelikely ihany ny mpizahatany.
Efa lafo ny vidim-piainana tamin’ny taona 2023, niha sarotra izany tamin’ny 2024, indrindra noho ny fihenam-bokatra rehetra na ny vidin’ny harena an-kibon’ny tany nihena ny vidiny any ivelany. Tsy ampy ny fampiasam-bola teto an-toerana. 7,9 % monja ny nindram-bola tamin’ny banky, izay tsy nankany amin’ny famokarana ny betsaka.
Nihem-bidy avokoa ireo vokatra lehibe fanondrana, toy ny lavanila, jirofo, nickel sy cobalt; vokatra ratsy amin’ny ankapobeny ny avy any ivelany, satria mora ny hanafarana azy ireny nefa amidy lafo amin’ny mpanjifa eto an-toerana; ny fanitsiana tetibola taona 2024, nanampiana ny vidin’ny angovo; ny trosa nahatratra 55,6 % amin’ny harin-karena faobe (PIB) tamin’ny taona 2023.
Vahaolana, ny taona 2025 hatramin’ny 2026, tokony hisy ny fanavaozana ny fitantanam-bolam-panjakana; tokony hitombo ny fampiasam-bola avy amin’ny tsy miankina, hatsaraina sy hampitomboina ny fotodrafitrasa, hasongadina manokana ny angovo. Tsy tokony ho betsaka intsony ny fatiantoka amin’ny tetibolam-panjakana raha oharina amin’ny harin-karena faobe.
Lafo loatra ny sakafo
Ny hamaritana ny fiakaran’ny vidim-piainana dia avy amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra, tsy mifandanja ny tolotra sy ny tinady ary maivana ny sandam-bola. Antony mahatonga izany ny fiantraikan’ny filana fototra, ny fanitsiana ny tetibola, ny zava-misy any ivelany ary ny fahamaivananan’ny sandam-bola.
Voasokajy ho anisan’ny tany mahantra i Madagasikara sy ipetrahan’ny tsy fitoviana be loatra. 80% miaina latsaky ny 1,90 dolara isan’andro, betsaka ny any ambanivohitra.
Miankina amin’ny vidin-tsolika
Araka ny vaovao farany, nidina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny vidin-tsolika eny amin’ny mpaninjara eto amintsika (Lasantsy: 5700Ar/L, Gazoala : 4760 Ar/L). Tamin’ny volana jolay 2022 no nisy fiakaran’ny vidin-tsolika farany teto Madagasikara (Lasantsy: 5900 Ar/L, Gazoala: 4900 Ar/L).
Feo mandeha matetika na misy aza ny fidiran’ny fanjakana, tombanana fa mety hisondrotra ny vidin-tsolika amin’ity taona 2025 ity. Tsy izay anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Manaraka tsikelikely ny tena vidiny. Antony iray lehibe mampidangana ny vidim-piainana ny vidin-tsolika, ka tsy maintsy ferana. Satria betsaka ny sehatra miankina aminy, ohatra, ny fitaterana. “Efa amin’ny vidiny tsy tena izy io nampiharina tamin’ny 2022 io sady efa roa taona izao tsy nisy fiakarany koa rariny raha zahana amin’izay ny vidiny eny amin’ny mpaninjara”, hoy ny mpaninjara iray.
Fambolena sy fiompiana
Mila fanohanan’ny fanjakana
Araka ny nambaran’ny Instat na Ivontoerana momba ny antontanisa, roa taona nifanesy izay (2023 sy 2024), nitombo ny fiakaran’ny vidim-piainana teto Madagasikara. Isan-taona, raha ny salanisa, 9,9% ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tena ahitana izany ny vidin-tsakafo, indrindra ny vary, izay mafy amin’ny tokantrano maro hatramin’izao.
Voalaza fa ny antony voalohany, noho ny fiovan’ny toetr’andro izay maina amin’ny faritra maro fa eo koa ny fanararaotan’ny mpivarotra sasany. Mahakasika vokatra maro, 90 %, nitombo daholo ny vidiny. Tsy afaka amin’izay fisondrotana izay koa ireo entana avy any ivelany.
Vahaolana naroso ny fahafahan’ny ny fanjakana miditra amin’ny fanampiana (subvention) ny vokatry ny fambolena sy fiompiana eto an-toerana ary manara-maso izany. Jerena sy hatsaraina ny lalan’ny famatsiana rehetra sy ny tahiry misy, tsy ambanin-javatra ny fanamboaran-dalana mankany amin’ny kaominina mpamokatra rehetra. Araka ny nambaran’ny Instat, manana andraikitra ny Banky foibe amin’ny fanatsarana ny politika ara-bola eto an-toerana. Toy izany koa ny hetra, hamaivanina ny mahakasika ny filana fototra rehetra (PPN), avahana tsara ny varotra ary ampitomboina ny fampiasam-bola amin’ny angovo, fambolena sy fiompiana, fizahantany, teknolojia vaovao, ny fiarovana ny tontolo iainana …
Nanatontosa : Mathieu R.