Olana amin’ny fananantany: Lasa antom-piveloman’ny olom-bitsy

Maro indrindra eny anivon’ny Fitsara­na ambony sy ny ambaratonga voalohany ny resaka taratasin’ady ma­ha­ka­sika ady tany. Efa lasa fitadiavam-bolan’ny olona maro samihafa izany, raha ny zava-misy.

Voalohany amin’ny ha­maroan’ny antotan-taratasin’ady tonga eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony ny resaka ady tany, raha ny fanadihadiana natao. Ambeti-tenin’ireo tomponandraikitra hatrany izany rehefa misy ny lanonana ofisialy samihafa. Milaza ihany koa izy ireo fa hiady amin’ny resaka halatra tany, izay misy hidiran’ny kolikoly, raha ny hita. Amin’ny ankapobeny, mifandray tanteraka ny kolikoly sy ny ady tany. Izay manam-bola na mahafantatra olona na mahitahita no matetika man­dresy amin’io taratasin’ady io, raha ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny, misy ny tambajotra matanjaka amin’ny fakana sy fidirana an-keriny amin’ny tanin’olona. Matetika misy ifandraisan’ny mpitsara na lehiben’ny distrika na ben’ny Tanàna ary ny mpiasa eo anivon’ny fandrefesan-tany sy ny fananantany izany zava-misy izany.
Misy karazany maro ny fomba ataon’ny tambajotra mpanao izany rehefa hiditra na haka tanin’olona izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Mi­ditra sy manorina trano hain­gana eo ambonin’ny tany izay manan-tompo izy ireo. Atao izany amin’ny fotoana izay tsy maha eo an-toerana ny tompony. Mampilaza amin’ny ekipa eo anivon’ny fitsarana avy hatrany izy ireo ary manao izay hifanarahana, toy ny fanomezana ilan-tany sy ny maro hafa.
Tsy maintsy manana karine ny mpikambana ary mandoa vola latsakemboka. “Mi­antoka ny vola entin’ireo tomponandraikitra miakatra any an-drenivohitra”, hoy ny fanazavan’ireo mponina iharan’ny fangalarana tany.

Tanin’ny tokantrano 1 500 any Mangarivotra homena olon-kafa
Tokantrano manodidina ny 1 500 any Mangarivotra, izay nandoa latsakemboka 50 000 Ar isaky ny adiresy no omena olona ambony avy eto Anta­na­narivo, raha ny fanadihadiana natao. Fotoana maromaro taty aoriana, nipoitra tampoka ny tompon’ny tany, tsy nanaiky fa nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny fitsarana izy taorian’izay. Nandresy teo ani­von’ny fitsarana ary very vola ireo olona an’arivony.
Fomba faharoa ataon’ny mpanambola ny manisy orimbato amin’ny tanin’olona na efa misy mipetraka aza eo amboniny. Fihetsika hahafahana manome volabe ho an’ ny mpiasan’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany ary ny fi­tsarana izy io. Rehefa vita ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, tonga mandrava ny trano ireo vaditany sy mpitandro filaminana. Olona maro, araka izany, ny mahantra tampoka noho izany zava-misy izany. Amin’ny ankapobeny, efa lasa antom-piveloman’ny fikambanana mpangalatra tany ny fanaovana ireo fombafomba sy fihetsika maro samihafa ireo. Maro, araka izany, ny very vola.

Arahi-maso ny fananganana fikambanana
Nametraka fepetra hentitra ny prefektoran’i Toamasina fa arahi-maso ireo mpanangana fikambanan mpangalatra tany, nandritra ny fandalovan’ny mi­nisitry ny Fitsinjaram-pahefana, Andriantsitohaina Naina, tany Toamasina, ny 04 aogositra 2024 lasa teo. “Tapaka nandritra izany, fa samborina avy hatrany ireo minia manao izany”, hoy ny prefet an’ i Toa­masina, Benandrasana Cyril. Nohamafisin’ny prefet fa manana andraikitra sy adidy ny mpanao gazety hitaiza ny olona amin’ny famantarana izay voalazan’ny lalàna mom­ba ny fananantany.

Didim-pitsarana no tanterahina

Tora-bato, horakoraka, ompa sy ny maro hafa no ataon’ ireo mponina amin’ireo tomponandraikitra maro samihafa tonga mandrava tranon’olona, raha ny zava-misy. Voakasik’izany avokoa na ireo vaditany na ireo mpitandro filaminana. « Tsy maintsy ampandrenesina ny fitsarana, izay mpamoaka didy, sy ny mpampanoa lalàna ambony, izay lehibe eo anivon’ny fitsarana, rehefa misy didy mivoaka fanesorana olona eo amin’ny tranony », hoy ny Maître Rarivoarivony Andriatafaina Haja Fitiavana, filohan’ny vaditany sy mpanao lavanty eto Madagasikara, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa tsy maintsy ampandrenesina izy hahalalany ireo didy mi­fandraika aminy. Ankoatra izay, omena fotoana ihany koa ireo olona iharan’ny fandrodanana trano sy ireo voalaza ho tompon’ny tany. “Manatanteraka ny voasoratr’ilay didim-pitsarana fotsiny izahay ety ambany”, hoy ny fanazavan’ity filohan’ny vaditany sy mpanao lavanty eto Madagasikara ity.
Marihina fa efa betsaka ireo vaditany misedra olana eo amin’ny fanatanterahana ny asany, raha ny fanazavana voaray.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: