Ny hetraketraky ny mpamily sy ny fitiavana mandeha mafy ny tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamovoizana eto Antananarivo. Manampy izany koa ny fisotroana zava-pisotro mahamamo ataon’izy ireo eny am-pitondrana fiara sy kodiarandroa.
Maro ny antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana, raha ny fanadihadiana natao. Ny hetraketraky ny mpamily sy ny fandraisana zava-pisotro mahamamo ary ny fidorohana zava-mahadomelina no tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eto Antananarivo, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Direction générale de la sécurité routière (DGSR) tetsy Nanisana, afakomaly. Tafiditra ao anatin’izany ny hetraketraky ny mpitondra, ny fitiavana te handeha mafy, ny tsy fahaizana mifandefitra, ny fisongonana any amin’ny ankavanan-dalana ary ny tsy fahaizana lalàna mifehy ny fifamoivoizana… “Mahatonga ny lozam-pifamoivoizana matetika ny hetraketraky ny mpamily sy ny fandehanana mafy”, hoy ny tale jeneralin’ny DGSR, général de division, Reribake Jeannot. Manampy izany koa ny hamaroan’ny fiara tsy vita fitsirihana teknika ka mahatonga ny loza. Nambarany koa ny tsy fahaizana mifehy ny havizanana ary ny fisotroana zava-pisotro mahamamo sy mahadomelina eny am-pitondrana fiara na kodiarandroa. Ankoatra izay, ny olana ara-teknika mahazo ny fiara sy ny fitaovam-pitaterana eny an-dalana.
Vokatr’izany, betsaka ireo lozam-pifamoivoizana miseho eny an-dalana, indrindra eny amin’ny lalambe mikodana na malalaka, raha ny fanazavana voaray. Toy ny eny amin’ny Rocade, Tsarasaotra, sy ny maro hafa. Maro ny fiara mifamezivezy eny amin’ireny lalana ireny noho ny fialana amin’ny fitohananan’ny fiara mahazatra. Manodidina ny 70 ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ ny kodiarandroa (moto) teto Antananarivo sy ny manodidina, teo anelanelan’ny volana janoary sy avrily tamin’ny taona 2024, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny DGSR. Manodidina ny 221 ireo olona lasibatra ary 203 ireo naratra. 163 ny lehilahy tamin’izy ireo, raha 58 ny vehivavy. Nahatratra 18 ireo maty vokatr’izany, tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireo.
Hamafisina ny fitsirihana mialoha ireo fiara
Ny fahatsapana izany rehetra izany ny antony mahatonga ny DGSR manao fitsirihana alohan’ny hiangan’ny fiara iray mba hijerena ny olana mekanika sy ara-teknika rehetra. Voakasik’izany avokoa ny fiara mpitatitra nasionaly sy rejionaly rehetra, raha ny fanazavany. Nisy ny vokatra tratra tao anatin’izay fandraisana andraikitra izay ary ezahina tohizana hatrany izany hatramin’izao. “Ho fisorohana ny mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana eny rehetra eny”, hoy izy. “Tena ilaina sy mahatsara ny fanaovana ny fitsirihana indrindra eny anivon’ny tobim-piantsonana tsirairay”, hoy izy.
Tsy voatery ho matihanina avokoa ny mpitatitra rehetra ka ilaina izany. Nambarany hatrany fa tsy dia mipetraka loatra ireo olana samihafa ho an’ireo mpitatitra lazaina fa matihanina. Fa tena mihatra kokoa ny fanaraha-maso ho an’ireo manao vadin’ asa ny asa fitaterana.
Niatrika fiofanana ireo mpitatitra 120 eo anivon’ny SMA
Nifarana omaly, tetsy Nanisana, ny fiofanana ataon’ireo mpamily 120, mampiasa ny fiara be eo anivon’ny Société municipale d’assainissement (SMA). Fiofanana izay naharitra roa andro. “Ny fiofanana dia natao ho an’ireo mpanamory fiarakodia sy moto ary ireo fitaovana eo anivon’ny SMA”, hoy ny colonel Razafimanahaka Tiana, tale misahana ny SMA, teny an-toerana. Miandraikitra ny fampiofanana ny eo anivon’ny DGSR. Manohana ara-bola amin’izany kosa ny avy amin’ny Jica ary eo ambany fiahian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. “Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny asa sy hahafehezan’izy ireo ny fiara sy izay entin’izy ireo mifamezivezy eny an-dalana”, hoy izy. Eo ihany koa ny fampiofanana azy ireo hahafehy ny lalàna mifehy ny fifamavoizana eny an-dalana. Mba hisorohana ny loza sy ho fanatsarana ny fifamoivoizana misy eto Antananarivo. “Katsahina ny hisorohana ny loza eny am-panatanterahana ny asa, izay ambana tsara ho an’ireo mpampiasa ny lalana rehetra izany”, hoy ny nambarany.
Ampianarina zavatra maro
Mandritra ny roa andro, omena fiofanana maro izy ireo hoentiny sy hampihariny amin’ny asa fitaterana ataon’izy ireo. Anisan’izany, ny fahaizana manamory, ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamavoizana ary ireo pitsopitsony ilaina isan-karazany. “Efa mahay manamory izy ireo fa halalinina izay fahaizany izay mba ho atokisana sy ho mendrika kokoa eo amin’ ny fanatanterahana ny asa”, hoy hatrany ny colonel Razafimanahaka Tiana.
Nanatontosa : Mino