Andranovory-Ambovombe : Natomboka ny fanarenana ny RN10

Fanamby lehibe napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny fanombohana amin’ity taona ity ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN10, mampitohy an’Andranovory sy Am­bovombe. Efa natao ny ampahan-dalana mirefy 4 km tamin’ny alalan’ny Famatsiambola anatiny (RPI). Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny tetikasa avy ao amin’ny Antokon-draharaha misahana ny lalana (Agence routière) sy ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Atsimo Andrefana. Efa vita godirao ny 1,6 km, ka nomena baiko ny orinasa hampitombo ny fitaovana, hahavitan’io ampahan-dalana io mialoha ny faran’ny volana febroary ho avy izao.
Ankoatra izay, mitotaly 414 km ny lalana harenina amin’ny RN10, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny tetikasa PCMCI. Hovitaina amin’ny telo volana voalohany ity ny antso tolobidy, ho an’ny Andranovory PK4- Ambatry PK 101, mirefy 98 km. Toraka izany koa ny antso tolobidy ho an’ny Ambatry-Ampanihy (113 km). Eo andalam-pikarakarana ny fanombohana ny Ampanihy – Beloha (92 km) sy ny Beloha-Ambovombe (111 km).
Nanamafy ny minisitra MTP, Rafidison Richard, fa tsy maintsy vita hatramin’ny farany ny asa, mba hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra, in­drindra ny any atsimon’ny Nosy.

Njaka A.

Partager sur: