Ankorondrano : Tanora 100 miatrika fiofanana momba ny loza ara-boajanahary

Hifarana androany ny fampiofanana tanora mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary (GRC). Fio­fanana nanomboka omaly, tanterahina etsy anivon’ny QG Tanora Ankorondrano. Atri­kasa karakarain’ny CCMAJ eo anivon’ny ministeran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena.
Ampiofanina mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary izany ireo tanora ireo. Mba hahay handray an-tanana sy handray andraikitra manoloana ny loza maro mety hiseho, indrindra rehefa amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny orana tahaka izao. Fi­kambanana tanora miisa dimy ireo miofana mandritra izany. Andrasana ny hahatongavan’ny tanora manodidina ny 100 isa mandritra ny roa andro. Tanora 50 isa ho an’ny andron’ny omaly, 50 isa kosa no andrasana ho an’ny anio.
Tsiahivina fa misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny BNGRC, ny avy amin’ny SBC Unicef. Ezahina ny hanaovana ny atrikasa tahaka izao. Satria, manampy betsaka ny tanora hiatrika ny mety ho ka­razana loza ara-boajanahary misy isan-karazany ny fiofanana toy izao.

Mino

Partager sur: