Nisokatra nanomboka ny 04 novambra hatramin’ny 16 desambra 2024, ny fotoam-pitsarana mahakasika ny ady heloka bevava andiany faharoa. Nahafahana nanao izany ny ordonnance laharana faha-142-CC/CA/Toa/14, tamin’ny 11 oktobra lasa teo. Navoakan’ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony mpisolo toerana, Rasoavololona Perrault Zafinera izany.
13 ireo mpitsara na mpamoaka didy misahana ny fotoam-pitsarana. Mifandimby isan’andro izy ireo manatanteraka ny asa mandritra izany. Raha niisa efatra kosa izany, izay nifandimby isan-kerinandro teo anivon’ny mpampanoa lalàna ambony, ny 04 novambra hatramin’ny 16 desambra 2024. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo olon-tsotra izay voasafidy sy voatsongo manokana hanampy azy ireo, eny anivon’ ny fiarahamonina. Natao ho mpitsara mpanampy ary miakatra arakaraka ny antsapaka atao isaky ny antontan-tataratasin’ady iray hotsaraina izy ireo, amin’ny ankapobeny. Mbola hilana hevitra sy fankatoavana avy amin’ny mpampanoa lalàna ambony sy ny mpisolovava ary ny voampanga kosa izany.
Nahatratra 147 ny isan’ny antontan-taratasin’ ady notsaraina andiany faharoa, teo anivon’ny fitsarana voalohany, tany Toamasina tamin’ny taona 2024 lasa iny. Nisy ireo voatery nahemotra amin’ny fotoam-pitsarana andiany voalohany amin’ity taona 2025 ity. Teo koa ireo tsy maintsy namoahana didy fampisamborana mba hahafahan’izy ireo miatrika ny fitsarana azy. Voakasik’izany, ny raharaha halatra sy fisolokiana teo amin’ny tetikasa Ambatovy. Marihina fa mahatratra valo ireo olona voarohirohy mahakasika izany hatramin’izao, raha ny fanazavana voaray.
Nihazona ny laharana voalohany amin’ny taratasin’ady eny anivon’ny fitsarana ireo antontan-taratasin’ady voalaza ireo. Ankoatra izay, mahakasika ny raharaha vono olona ny 45 amin’ireo. Momba ny tambajotran-jiolahy sy ny fanafihana mitam-piadiana kosa ny 29 hafa.
Laharana fahatelo amin’ny taratasin’ady eny anivon’ny fitsarana ny ady heloka bevava. Tafiditra ao anatin’izany, ny fanolanana izay manodidina ny 24 ireo dosie momba izany. Tsy maintsy namoahana didy famotsorana kosa ny raharaha iray tamin’izany.
Raharaha fahefatra ny famosaviana miisa enina enina. Fahadimy ny halatra taolam-paty miisa 03 telo, raha roa ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’olona fady.
Niavaka ny andiany faharoa
Niavaka tamin’ny raharaham-pitsarana ady heloka bevava hatramin’izay iny andiany faharoa iny. Voalohany, teo ny fahasiahan’ny mpampanoa lalàna ambony nanao fanohanana didy, izay navoakan’ny mpitsara mpamoaka didy. Toy ny niseho tamin’ny 06 novambra lasa teo. Nitsarana ny anton-tataratasin’ ady laharana faha-13-Toa/24 izany. Naha voarohirohy tovolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ka nahafatesana raim-pianakaviana iray tao Mangarivotra atsimo sy nandratrana mafy renim-pianakaviana iray hafa.
Ankoatra izay, nitombona ny fiampangana ireo voasazy, nampiharina ny didy faran’ izay henjana. Nifamototra anefa ny didy nivoaka ka nohafahan’ny mpitsara mpamoaka didy ireo voampanga roa lahy. Tsy niandry ela fa nanao fanohanana ilay didy ny mpam0panoa lalàna ambony.
Matetika tsy tonga ny mpitory
Eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava, matetika tsy tonga manatrika ny fotoam-pitsarana ny mpangataka onitra sy ny vavolombelona. Vokany, mora ho an’ny voampanga ny manda ny fiampangana azy. Manana mpiaro na mpisolovava maimaimpoana omen’ny lalàna azy ireny voampanga tsaraina ireny, izay hefain’ny fanjakana.
Raha tsy manatrika ny mpangataka onitra sy ny vavolombelona, malalaka tsara ny fandavan’ny voampanga sy ny fiarovan’ny mpisolovava azy. Manamora ny faharesen-dahatry ny mpitsara mpamoaka didy izany zava-misy izany.
Misahana ny fanaparitahana ny fiantsoana ho an’ireo hiatrika fotoam-pitsarana ny vaditany, raha ny fanadihadiana natao. Tsy misy antony tsy tokony hahatongavan’ny mpitory eny anivon’ny fitsarana, araka izany. Olana miseho matetika, ny fifindra-monina tampoka ataon’ny mpitory na ny mpangataka onitra ary ny vavolombelona ka tsy fantatra ny misy azy. Faharoa, voasoratra anatin’ny famotorana ny fokontany hipetrahan’izy ireo, fa tsy misy laharan-trano.
“Tsy izahay vaditany no mandray ny mombamomba ny olona mpangataka onitra fa tsy mazava ny adiresin’ireo handefasana azy”, hoy ny filohan’ny antenimierampirenena ho an’ny mpisolovava sy mpanao lavanty eto Madagasikara, Maitre Rarivoarivony Andriatafaina Haja Fitiavana. Nambarany fa antony iray hafa mahatonga azy ireo tsy hahavoaray ny taratasy fiantsoana izany.
Nanatontosa : Sajo