Vidim-bary : Nidina 50 hatramin’ny 150 Ar eo ny vary vao eny an-tsena

Nandritra ny firo­tsahan’ny orana matetika tato ho ato, nahitana fidinany kely ireo vary vao na ny vary aloha eny anivon’ny tsena. Anisan’ izany, ny vary tsipala sy ny semence. Tsy mbola nahitana fihenana kosa ireo vary tranainy toy ny vary gasy sy ny makalioka.

Nahitana fidinany 50 hatramin’ny 150 Ariary eo ny vidim-bary vao na ny vary aloha eny anivon’ny tsena maromaro eto Antana­narivo, raha ny fanadihadiana natao. Voakasik’izany, indrindra ny vary tsipala, ny vary semence. Lasa 3350 Ariary/kg ny vidin’ny vary tsipala eny an-tsena amin’izao fotoana izao, raha toa ka 3600 Ariary/kg izany teo aloha. Manodidina ny 800 – 900 Ariary eo ny iray kapoaka amin’izany. “Nahitana fidinana kely ny vidim-bary rehefa avy ny orana, izay nanomboka tamin’ity tapaky ny volana janoary no ho makaty”, hoy ireo mpamongady eny amin’ny tsenan’Anosibe. “Antony mahatonga ny fidinan’ny vi­dim-bary eny an-tsena amin’izao, ny fiakaran’ny vary aloha”, hoy hatrany ireo mpivarotra. Nambaran’izy ireo hatrany anefa fa somary tara ny fahatongavan’ny vary alo­ha tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taona lasa nifanesy. Anton’izany ny fahataran’ny orana eto Madagasi­kara. Mitobaka ny vary aloha na ny vary vao eny an-tsena, raha ny zava-misy amin’ny ankapobeny. Hatramin’izao, ny vary stock no tena be mpanjifa eny an-tsena noho izy anisan’ny mora indrindra.
Tsy nahitana fihenana kosa ireo vidin’ny vary tranainy eny anivon’ny tsena hatramin’izao, raha ny zava-misy hatrany. Antony nahatonga ny vidim-bary niakatra be teo aloha, ny tsy fisian’ny orana. Natahotra avokoa ny ankamaroan’ny tantsaha ny mety tsy hahavitana ny voly vary amin’ ity taona ity, noho izay olana izay. Voakasik’izany, ny vary gasy manalalondo, vary gasy mangamila, izay manodidina 3600 sy 3800 Ariary eo izany ny kilao eny an-tsena.

Mila hatsaraina ny lalam­barotra sy ny fambolena
Mbola tsy mitsahatra miakatra ny vidin’entana ilaina amin’ny andavanandro, indrindra ny vidim-bary hatramin’izao fotoana izao, raha ny hita eny an-tsena eny. Efa nahitana fiakarana izany, telo volana talohan’ny faran’ny taona 2024. Nanodidina ny 2800 ariary/kg ny kilaon’ny vary tamin’ny fiandohan’ny volana janoary 2023. Efa tafakatra 4500 Ariary/kg kosa izany amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy eny anivon’ny tsena nolalovana. Soso-kevitra naroson’ny vovonana miaro ny zon’ny mpanjifa, manoloana izany, ny hanatsarana ny lalam-barotra mahakasika ny famarotam-bary. Vahaolana faharoa, ny fampitomboana ny voka-bary eto Madagasikara. “Tokony am-pitomboana ny tany hahafahan’ny Malagasy mamboly sy mamokatra eto Madagasi­kara”, hoy ny avy amin’ny federasion’ny vovonan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Mahatratra 3000 ha ny tany tokony mbola azo volen’ny Malagasy. Nambarany hatrany fa tokony tsinjaraina amin’ny vahoaka malagasy izany tany izany. Mba hahafahan’ny Malagasy mamokatra vary sy hampihena ny vidim-bary. Antony iray mampihena ny vidim-bary ny fahamaroan’ny vokatra. Mba hialana amin’ny fanafarana vary avy any ivelany ihany koa izany. Mihena hatrany ny voka-bary misy eto Madagasikara hatramin’izao fotoana izao noho ny fiovan’ny toetr’andro, raha ny zava-misy manerana ny faritra maro. Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny hamahana izany olana izany, amin’ny alalan’ny famoronana tetikasa maro samihafa, antony mahatonga ny tsy fahampian’ny voka-bary ny tsy fisian’ny orana.

Hofanina ny tanora malagasy

Mba hialana amin’ny fanafarana vary avy any ivelany. Tokony hofanina ny tanora malagasy hiditra amin’ny sehatry ny fambolena. “Tsy mahamenatra ny mamboly fa adidy ho an’ny tsirairay izany satria foto-tsakafon’ny vahoaka malagasy ny vary”, hoy hatrany izy. Maro ny mpivarotra tsy manara-dalàna. Betsaka ny endriky ny tsy fanarahan-dalàna eny an-tsena eny, raha ny zavatra hita nandritra ny fidinana ifotony nataon’ity vovonan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity. Anisan’izany, ny tsy fametrahan’ny mpivarotra ny vidin’entana. Vokany, maro amin’ny mpanjifa ny tsy mahafantatra akory ny vidin’entana tena izy noho izay tsy fametrahan’ny mpivarotra izay vidim-bary izay. Miteraka tsy fifampitokisana eo amin’ny mpanjifa sy ny mpivarotra izany. Faharoa, tsy manana taratasy fahafahana mivarotra avokoa ny 80% -n’ny mpivarotra. Raha ny lalàna mifehy ny ara-barotra, ireo mpamongady manana taratasy ara-dalàna ihany no afaka maka entana any amin’ny mpanangom-bokatra. Toy izay koa, ireo mpivarotra madinika manana taratasy ara-dalàna ihany no afaka maka entana any amin’ny mpamongady, raha ny fanazavana voaray hatrany. Izany no fanatsarana ny fitsinjarana ny lalambarotra resahana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mangataka ny tokony hampiharina ny lalàna ho an’ireo minia tsy manara-dalàna ireo vovonan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tanjona amin’izany ny ahazahoan’ny mpivarotra sy ny mpanjifa tombontsoa, amin’ny ankapobeny.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: