Ravan’ny zandary ny alin’ny 24 janoary hifoha ny 25 janoary lasa teo, tany Ambalamanasy ny tambajotrana jiolahy mpamaky trano sy mpanendaka tany an-toerana. Voasambotra vokatr’izany, ny 11 mianadahy. Tsy ampy taona ny enina tamin’izy ireo, vehivavy kosa ny dimy hafa. Nanao fanarahan-dia tovolahy iray mampiahiahy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Rehefa nahavoaray antso sy fitarainana avy amin’ny mponina fa misy jiolahy mampihorohoro ny mponina amin’ny resaka fanendahana sy famakiana trano. Rehefa natao ny fanarahan-dia, tratra tao an-trano fonenany ny ity tovolahy ity. Niditra nisava ny trano ireo zandary avy eo ary hita tao ireo entana maro tsy ara-dalàna. Toy ny fanamiana miaramila, zavamaneno maro karazana, fandriana kidoro éponge vaovao, gony feno vary, finday avo lenta roa, fonosan-drongony ary entana maro isan-karazany. Nosamborina ary nentina nohadihadiana eny anivon’ny zandary izy avy eo. Nanoro ny namany mpanao asa ratsy miaraka aminy izy nandritra izany ka nahavoasambotra ireo andian-jiolahy rehetra.
Efa voasokajy tao anatin’ny faritra mena amin’ny resaka vaky trano sy fanendahana iny fokontany iny. Ahenoana fanendahana sy vaky trano foana isaky ny alina tany an-toerana. Efa tsikaritry ny mponina efa ela ny asa ratsy ataon’ ireto andian-jiolahy ireto fa tsy nisy sahy nitory ny olona. Noho ny tahotra mety hisian’ny valifaty eo amin’ny fiarahamonina.
Sajo