Arivonimamo : Lavo ireo jiolahy raindahiny roa lahy

Ravan’ny zandary ny jiolahy raindahiny roa lahy, malaza amin’ny fanafihana mi­tam-basy sy fitaovana maranitra ao amin’ny kaominina ambonivohitra Imeritsiatosika, oma­ly. Lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana nandritra ny fifanenjehana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta izy ireo. Hita nandritra izany koa ireo basy vita gasy sy rongony nampiasain’izy ireo rehefa manafika.
Voasambotra tao Imerin­tsia­tosika sy Arivonimamo ireo jiolahy raindahiny sy ireo namany efatra hafa, ny alin’ny 27 hifoha 28 janoary 2025 teo. Tratra nandritra izany ireo rongony tao anaty fonosana 135, milanja 700 grama, antsy sy vy maranitra fentina manao fanafihana. Nentina nanoro ny jiolahy iray namany mipetraka any Tsarafaritra ihany io jiolahy voasambotra io, omaly tamin’ny 3 ora maraina. 100 metatra tsy hidirana ny toerana voatondro, nisy olona roa lahy nanao ampitaka sy nitifitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka raikitra ny fifanjevoana. Nanararaotra nitsoaka ity jiolahy iray voasambotra ity nandritra izany. Tsy nety nijanona anefa izy ka voatery nitifitra ny zandary. Vokany, maty voatifitra teo amin’ny lamosiny ity olon-dratsy ity. Voatifitra nandritra izany koa ny jiolahy iray hafa naman’izy ireo. Rehefa natao ny fizahana, nahitana basy vita gasy iray sy bala roa efa nipoaka. Efa eny anivon’ny tranom-paty eny amin’ny CSBII Imerintsia­tosika ny razana amin’izao fotoana izao. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo jiolahy mpanao asa ratsy any an-toerana sy ireo mbola mirihariha manao asa ratsy any.

Mino

Partager sur: