Maro ny karazana episy ary ahitana izany avokoa ny faritra sy ny firenena maro. Misy ny nalaina avy amin’ny hodi-kazo (toy ny kanelina), voninkazo (toy ny jirofo), voankazo (toy ny poivre) sy ny maro hafa. Manan-karena otrikaina maro samihafa izy ireo, anisan’izany, ny vitaminina, mineraly. Manampy ny vatana hiady amin’ny fahanteran’ny sela, misoroka ny mety homamiadana hahazo ny vatana ihany koa ny fihinana sy fampiarahana azy ireny amin’ny sakafo hohanina.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fikarakarana sakafo ny fampiasana ireo karazana zava-manitra ireo. Ankoatra izay, nataon’izy ireo ho fitsaboana sy nanaovana menaka manitra ihany koa. Natokan’ny olona na ny mpahandro sakafo natao hanomezana tsiro sy hanitra ny episy na ny zava-manitra amin’ny ankapobeny. Naseho ho mariky ny harena teo amin’ny firenena iray ny fananana azy ireny zava-manitra ireny. Misy karazany maro izany, toy ny sakamalaho, tongolo gasy, poivra, carry, vanila, kanelina, tamotamo. Misy ireo efa voatoto natao vovony, eo koa ireo mbola voany sy tahony. Misy ihany koa ny mampiasa azy ireny natao hahatsara ny fahasalamana sy hitsaboana ny aretina mahazo ary hanatsarana ny endrika amam-bika.
Raha ho an’ny fahasalamana manokana, ahazahoana tombontsoa ny episy. Ankoatra ny fanomezana tsiro, azo entina hitsaboana tena ho an’ny marary ihany koa ny episy. Ho an’ny zava-maniry antsoina hoe: kanelina, episy iray azo lazaina ho tena manitra sy mahery izy io. Manohitra sy miharo amin’ny areti-mifindra sy miharo amin’ireo mikraoba maro samihafa mety hahazo ny vatana ny fihinana azy ity. Manamafy ny hery fiarovana sy manampy amin’ny fiadiana ireo aretina gripa, sery, ny aretin-kibo, fivalalana koa ny kanelina. Mampidina ny tahan’ny siramamy avo ao anatin’ny ra ihany koa. Azo atao ny mikarakara azy hatao dite.
Anisan’izany, ny tamotamo sy ny kanelina. Misy ireo olona manao dite izany ka sotroina isa-maraina mba hahatsara ny toe-pahasalamany. Misy ireo manjifa vanila sy ny kanelina. Ataon’ny olona amin’ny taoka mba hahazahoana ny « rhum arrangé ». Misy koa ny misafidy hampiaraka izany amin’ny mofomamy sy ny yaourt.
Miady amin’ny aretina manaintaina
Ny tamotamo, karazana episy iray manampy sy miady amin’ireo karazana aretina manaintaina rehetra any amin’ny vatan’ny olona. Miaro amin’ny areti-maso, afaka miaro sy miady amin’ny aretin’ny homamiadana ihany koa izy io. Manana tsiro miavaka somary marikivy miaro mangidy izy io amin’ny ankapobeny. Azo atao ny mampiaraka azy amin’ny karazana episy hafa hanomezana tsiro hafa azy. Eo koa ny fampifangaroana ny tamotamo iray sotro amin’ny rano mangotraka iray
vera isa-maraina. Ny dipoivatra, episy iray somary manana tsiro masiaka izy ity. Azo
atao ny mampiaraka ny dipoivatra mainty sy tamotamo. Manampy amin’ny fiasan’ny tsinay ny fihinana izany. Mitana anjara toerana eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina ny dipoivatra mainty na fotsy na mena. Manampy betsaka ireo olona tsy mahita tory, reraky ny adin-tsaina sy ny tebiteby ny fihinana dipoivatra. Manampy betsaka amin’ny fiasan’ny tsinay sy ny lalandra ihany koa.
Ny sakamalaho, anisan’ny miady amin’ny aretina maloiloy sy mandoa ny fihinana azy. Mampihena ireo olona manana vatana ngeza. Manampy amin’ny famahana ireo olan’ny fandevonan-kanina mety mahazo ny olona iray. Ahitana otrikaina maro, toy ny vy, magnesium, potasioma ary vitaminina B3 sy B6 izy. Ny jirofo matetika ampiasaina hanamaivanana ny aretin-nify sy hamahana ny olana eo amin’ny fandevonan-kanina. Eo ihany koa ny olan’ny fivontosana, maloiloy sy mandoa.
Mahatratra hatramin’ny 120 000 Ariary ny kilao
Tsy dia mandeha ny tsenan’ny episy amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny mpivarotra. 500 sy 1000 ariary ny tena zakan’ny olon-tsotra vidiana eny an-tsena amin’izao vaninandro izao. Fotoana handehanan’ny tsena sy mahamaro ny vokatra kosa ny vaninandro ririnina. Tia manao sakafo masiaka ny olona rehefa mangatsiaka ny andro ka antony mampandeha ny tsena, raha ny fanazavana hatrany. Efa misy manatitra ny entana, izay avy any amin’ny faritra ny akana azy amin’ny ankapobeny. Ny “poivre sauvage” sy ny “poivre noir” voany no tena tsy misy amin’izao fotoana izao. Mahatratra hatramin’ny 120 000 Ariary ny kilaon’izany. 50 000 Ariary kosa ny kilaon’ny kanelina amin’izao fotoana mahalafo azy izao. Tafidina hatramin’ny 20 000 Ariary kosa ny kilao hakana azy rehefa amin’ny fotoana mahamora azy, raha ny fanazavana voaray hatrany. Midina ny vidin’entana rehefa vanim-potoanan’ny ririnina. Manomboka eo amin’ny 15000 Ariary ny kilaon’ny episy vovony. 40 000 hatramin’ny 120 000 Ariary kosa ny kilaon’ny episy voany eny an-tsena.
Tia sy zatra mampiasa episy vovony ny Malagasy
Ny vahiny no tena manjifa ny episy vaoniny raha toa ka tia sy manjifa ny vokatra episy vovony kosa ny ankamaraon’ny Malagasy, raha ny fanadihadiana natao teny amin’ny mpivarotra etsy Analakely. Nambarany fa efa zatra nampiasa vovony foana ny Malagasy hatramin’izay. Any amin’ny trano fisakafoana lehibe sy ny karazana hotely mpanao hani-masaka ary ny mpanao mofomamy no tena mpanjifa ny karazana episy, amin’ny ankapobeny. Misy fa vitsy kosa ireo olon-tsotra mahandro sy mikarakara sakafo any an-tokantrano mampiasa ireo karazana episy isan-karazany.
Nanatontosa : Mino