Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny alin’ny talata 28 hifoha omaly alarobia, namoy ny ainy omaly, ilay miaramila tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Anosiala.
Voadona mafy tamin’ny faritry ny lohany. Tsy tana, omaly, ny ain’ilay tafika kilasy faharoa niharan-doza tamin’ny moto teny amin’ ny RN4, PK28+250, fokontany Ankazo, kaominina Anosiala. Niainga avy any Mahitsy, nikasa hihazo an’Antananarivo Renivohitra io miaramila miasa eo anivon’ny Bataillon Feu etsy Ampahibe io. Nandeha mafy nidina fidinana, tafavoaka ny arabe ny moto nentiny. Nivoaka tamin’ny an-kavanan-dalan’ny arabe io moto io. Nipitika am-polony metatra ka nitsirara tamin’ny tany ilay lasibatra, ny andron’io talata 28 janoary io, tamin’ny 3 ora sy 58 minitra. Tsy nahatsiaro tena teo noho eo izy. Niezaka nanavotra azy ny olona tsara sitrapo ka nitondra azy teny anivon’ny CHU Anosiala. Voadona ny faritry ny lohany. Naratra ary nivoa-dra raha teo ny vavany.
Tsy nanao aroloha
Anisan’ny nitarika ny fahavoazan’io mpitondra moto tra-doza io ny tsy fampiasany aroloha. Araka ny fanazavana voaray eo anivon’ny zandarimaria misahana ny raharaha, nihoatra ny tokony ho izy ny hafaingana-pandehan’io lehilahy io. Nanao izay ho afany nanavotana ity farany ny mpitsabo teny anivon’ny hopitaly saingy izao niafara amin’ny fahafatesana izao. Marihina, miseo lany ary olona enina matin’ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny moto tao anatin’ny herinandro monja. Nitranga teto an-dRenivohitra avokoa ny efatra tamin’ireo toy ilay teny Andraharo sy Masay ary farany ity nitranga teny Anosiala ity. Manentana ny mpampiasa kodiaran-droa indrindra ny moto ny mpitandro filaminana mba hanaja hatrany ny lalàn’ny fifamoivoizana.
Tsiferana R.