Toamasina : Tovolahikely iray maty natelin’ny ranomasina

Tovolahikely iray tokony ho 11 taona teo ho eo, maty natelin’ny ranomasina tany Toamasina, omaly. Voalaza fa nandeha nilomano lalindalina sy lavitra ireo namany izy ity ka natelin’ny rano tampoka. Niakatra eo ambony arofanin’ny tetezana eo amin’ny hopitalibe ireo andiana tovolahikely maromaro. Avy eo mitsoraka, tonga dia anatin’ny ranomamy manamorona ny toerana izy ireo. Nitohy tany an-dranomasina ny dian’ireto tovolahikely ireto. Nilomano teny amin’ny lalina ny sasany tamin’izy ireo, raha ny fanazavana. Natelin’ny ranomasina tampoka ary tsy hita ny tovolahikely iray tokony ho 11 taona teo. Nikorokapa ny rehetra rehefa nahita ny tranga ka niantso vonjy. Tonga tany an-toerana nanao ny fikarohana ny mpamonjy voina. Hita nantsingevan’ny rano ny fatin’ity tovolahikely ity taoriana kelin’izany.
“Efa tia milomano mandeha lavitra izy ity rehefa milomana tahaka izao ary izao niafara tamin’izao tranga mampalahelo izao”, hoy ny fanazavan’ny namany niara-nilomano taminy. Nangataka ny hanasiana soratra fandrarana tsy azo handroana sy hilomanosana ny ranomasina mba hisorohana ny loza tahaka izao, hoy kosa ny ray aman-drenin’ny ankizy maty. Nilaza kosa ny olona sasany fa anjaran’ny ray aman-dreny ny mananatra ny zanany mba tsy hilomano amin’ny ranomasina.

Sajo

Partager sur: