Nampahonena ! Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) tao Anjiajia, fokontany Marotaolana, kaominina ambanivohitr’Antsifabositra, distrikan’i Maevatanàna, PK 266+600, omaly. Taksiborosy iray avy any Antsirabe hihazo an’i Mahajanga no tratran’ny olana tao amin’ny hisatra (frein) ka tsy nahatazona ilay fiara. Nandeha mafy anefa ny fiara tamin’io fotoana io. Somary fidinana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana rehefa tsy nahatazona intsony ny hisatry ny fiara. Nifatratra tamina kamiaobe iray nifanena taminy ilay taksiborosy. Mafy ny fifandonana ka maty tsy tra-drano ny zazakely iray herintaona sy tapany, tao amin’ilay taksiborosy. Olona efa hafa koa naratra mafy. Anisan’izany ny mpamilin’ilay fiara taksiborosy. Naratra koa ny renin’ilay zazakely namoy ny ainy. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny asam-pamonjena ireo niharam-boina. Nalefa haingana namonjy ny hopitaly ao Maevatanana ireo naratra. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara noho ny dona mafy nahazo azy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.
Jean Claude