Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny teratany vahiny voalaza ho tompon’ny tany misy fotodrafitrasa maromaro ao Nosy Be Hell-ville sy ny tambajotra voalaza ho mpisoloky nikasa hangalatra tany. Miara-miasa amin’ny mpitsara iray ao an-toerana sy naka mpisolovava tao ihany, namorona taratasy nahafahany mandray ny fitantanana ny orinasa rehetra anatin’io tany voalaza io ny teratany vahiny iray izay tsy fantatry ny tompon-tany akory. Etsy ankilany, toherin’ny teratany vahiny izay manana ny taratasy ara-dalàna momba io tany io ity fisolokiana ny fananan’izy ireo ity. Marihina, nanomboka nanao fotodrafitrasa tao amin’io toerana io ireo mpisandoka no nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ireo teratany malagasy nahazo alalana manokana hitantana ny toerana. Niakatra teny anivon’ny zandarimaria ny raharaha. Kinanjo, natsikafin’ny fanadihadiana avokoa ny anaran’ireo olona niray tsikombakomba nikasa haka ny tany. “Taratasy noforonina avokoa no nokasain’izy ireo hangalarana ny tany”, hoy ny loharanom-baovao. Anisan’izany, ny teratany vahiny iray sy ilay mpitsara niampy ny mpisolovava iray. Nandray ny andraikiny avy hatrany momba ity raharaha ity ny fitsarana. Miandry ny fahazoan-dalana manokana avy amin’ny holafitry ny mpisolovava ahafahana mitory ilay mpisolovava voakasika ireo lasibatra.
Tsiferana R.