Ambohidahy Ankadindramamy : Fanafihan-jiolahy ravan’ny tompon-trano

Telo lahy nikasa hanafika tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Am­bohidahy Ankadin­dramamy, Antananarivo V, ny alin’ny 30 janoary teo, tamin’ny 8 ora alina. Nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray, ren’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy. Nitsoka kiririoka avy hatrany ny lasibatra vantany nahatazana ireo mpandroba. Nikoropaka, tsy nahavanona ny fanafihana nokasainy atao ireo olon-dra­tsy. Nitsoaka nivoaka ny tanàna ireo telo lahy. Nidina ifotony nanao ny fanafihadiana
ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Soa­manandrariny. Nanampy azy ireo nanao ny famotorana koa, ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pirenana. Tsy nisy entana voaroba na olona naratra. Manentana ny tsirairay hiray hina manoloana ny tranga tsy fandriam-pahelamana tahak’ity niseho teny Ankadindramamy ity ny mpitandro filaminana. Ham­pan­drenesina ara-potoana hatrany ny mpitandro filaminana ahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Anatin’ny fikarohana ireo telo lahy nikasa hanao fanafiaha teny an-toerana ny zandarimaria amin’izao fotoana. Tsiahivina, mirongatra ny halatra sy vaky trano nitam-piadiana tato ho ato.
Ankoatra izay, mpangalatra moto iray tra-tehaky ny zandary teny Andoharano­fotsy, ny 25 janoary teo. Noraisim-potsiny ny lehilahy iray tompon’atoka sy ny moto halatra.

Tsiferana R.

Partager sur: