Maty notifirin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo sy mpikirakira vola vahiny, omaly. Tompon’antoka ny jiolahy miisa fito tsy nisaron-tava.
Jiolahy fito tsy nisaron-tava ireo nanafika tao amin’ny tsenan’ity raim-pianakaviana ity tokony ho tamin’ny 9 ora sy 30 mn maraina, tetsy amin’ny pavillon Analakely. Niditra tao an-tsena ireo jiolahy efatra ka nitifitra avy hatrany ilay raim-pianakaviana. Niandry tamin’ ny moto scooter teny ivelany kosa ny telo hafa. Lonilony sy valifaty no mety ho antony nahatonga ny fitifirana, raha ny fanazavan’ny fianakaviany. Voatifitra teo amin’ny tratrany havia izy ka nitarika ny fahafatesany. Lasan’ ireo mpanafika tamin’izany ny vola sy ny findainy, raha ny fanazavana. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay raim-pianakaviana. Teny an-dalana, tsy avotra intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy.
Poa-basy…
Basy nipoaka no nahataitra ny olona sy ny mpivarotra manodidina teo Analakely. Nitsoaka avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra raha naheno izany. Nandray andraikitra manoloana ity fanafihan-jiolahy ity ny polisy iray nanao asa fiambenana teny amin’ny manodidina ilay tsena voatafika. Vokany, jiolahy iray voatifitra teo amin’ny kibony. «Tsy nihontsona fa lasa nitsoaka na efa voatifitra aza io jiolahy io. Nizara roa ny lalan’izy ireo », raha ny fanazavan’ny mpivarotra iray nanatri-maso ny fanafihana. Nahitana vodim-bala efatra efa nipoaka teo amin’ny manodidina ilay tsena. Nandositra ireo olon-dratsy, taorian’izay. Na teo aza anefa izany, tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy. Nanamafy kosa ny polisim-pirenena fa raha misy olona maratra eo amin’ny kibony, tonga mitsabo tena eny amin’ny hopitaly, jiolahy izany. Koa aoka hampandre haingana ny polisy ho an’ izay mahita olona maratra mafy. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity.
Mino