Ambodin’Isotry : Jiolahy voatifitra, saika hamono polisy

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy iray saika hamira polisy tamin’ny zava-maranitra. Tetsy Ambodin’Isotry no nisehoan’izany, afakomaly alina.

Lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CSP 4, ny jiolahy iray nanafika Cash point tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro Ambodin’Isotry, afakomaly hariva. Tratra nandritra ny fisafoana nataon’ireto mpitandro filaminana teny amin’ny faritra EPP Ambodin’ Isotry izy io sy ny namany. Niaraka tamin’ny zava-maranitra toy ny antsy lava izy roa lahy. Nikasa ny hamely ireo polisy ry zalahy. Vokany, raikitra ny fitifirana. Lavo nandritra izany ny jiolahy iray, tafaporitsaka nandositra kosa ny iray hafa. Ity farany izay voatifitra ihany koa.
Tsiahivina fa nandroba lelavola 4 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny finday ireo olon-dratsy izay niandry kendry tohina ny raim-pianakaviana miasa tamin’ilay Cash point, roa herinandro lasa. Karohina ny naman’ity jiolahy lavo ity.

Natao hazalambo
Miisa 11 ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery ary mpangalatra voasambotry ny polisim-pirenena tao anatin’ny telo andro, nanomboka ny 31 janoary hatramin’ny omaly. Tratra nandritra ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny alina izany. Anisan’ izany, ireo efa-dahy nanatanteraka asa ratsy tetsy Isotry, izay voasambotry ny polisin’ny CSP4. Telo lahy hafa nahenoana raharaha mahakasika ny fanendahana ka nanaovana vela-pandrika. Ankoatra izay, lehilahy efatra voasambotra teny amin’ny fiantso­nan’ny fiara fitateram-bahoaka amin’ny zotra nasionaly Fa­san’ny karana. Tratra teo am-panendahana olona nandeha taxi-be izy ireo. Farany, lehilahy iray hafa nosamborin’ny polisy miasa eo anivon’ny CSP2 Ambohijatovo, tetsy Miandrarivo. Rehefa nahazoana taratasy fisamborana avy amin’ny tribonaly noho ny resaka halatra moto.

Mino

Partager sur: