Antanimena : Mpitondra moto maty tsy tra-drano

Nidona tamin’ny andrin-jiro, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto marika Yamaha Cygnus I teo Antanimena, omaly alina tamin’ny 9 ora alina. Avy any amin’ny rond-point, nikasa hidina ny lalana mampitohy an’Ankorondrano io mpitondra moto io. “Nandeha mafy izy ka tsy nahafehy ny familiana intsony”, hoy ny fintataran’ireo nanatri-maso. Nidona tamin’ny andrin-jiro lehibe eo afovon’ny arabe midina mihazo an’Ankorondrano ny moto nentiny. Nipitika am-polony metatra ny moto. Voa mafy tamin’ny lohany sady voadona mafy ny vatan’ilay lehilahy. Nanary aina minitra vitsy taorian’ny fahavoazany izy. Potika tanteraka ny moto notaingenany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nandamina ny fifamoivoizana. Nentina eny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA io alina io ihany ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy. Tsiahivina, mpitaingina moto maherin’ny 6 namoy ny aina tao anatin’ny telo herinandro monja.

Tsiferana R.

Partager sur: